Karohina ary hatao savahao ankehitriny ilay nahavanon-doza. Fanolanana izay nitarika fahafatesana ny heloka hanenjehana azy. Zazalahy enin-taona no niharan’izany tao Ambohimena-Atsimo, fokontany ao Antsirabe. Ny antoandro dia efa nifampitadiavana ilay zaza rehefa tsy hita teo an-tanàna. Nikorotan-tsaina tanteraka ny fianakaviany ary nanohy hatrany ny fikarohana azy. Tokony ho tamin’ny telo ora sy sasany maraina no nisy nahita teo akaikin’ny tranony ihany ilay zaza saingy efa tsy nisy aina intsony. Tsy vitan’izany fa tsy nisy akanjo intsony teny an-kodiny. Nampandrenesina ny mpitandro ny filaminana ary nentina nozahana koa ny razana. Teo no nanamarina ny tompon’andraikitry ny fijirihana razana fa nisy nanolana ilay zazalahy ary nitarika ny fahafatesany izany. Mandeha ny fanadihadiana ankehitriny ary mbola mifantoka amin’ny famantarana izay mety ho nahavanon-doza aloha izany ka hihafara amin’ny fisamborana azy.
D.R