- Publicité SW45 -
samedi, décembre 21, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Zazavavikely 7 taona naolan’ny raikeliny

Antsirabe : Zazavavikely 7 taona naolan’ny raikeliny

Zazavavy kely iray vao fito monja no naolan’ny raikeliny tao amin’ny fokontany 3A Antsirabe taorian’ny taom-baovao teo.

Tsy tahotra tsy henatra ny an’ity rangahy iray 32 taona nanolana ilay zazavavikely izay tsy iza fa zafikelin’ny ramatoa miaraka aminy ihany. Manodidina ny 50 taona ilay ramatoa reniben’ilay zaza sipan’ity tovolahy ity. Manasa lamba no antom-pivelomany,ary nalainy nipetraka tao aminy ilay zafikeliny rehefa nonina tany amin’ny raikeliny fotoana maromaro. Taorian’ny taom-baovao, niara-notory izy telo mianaka kely ireto ka ilay lehilahy tao ampovoany. Voalaza araka ny fanazavana fa mamo ilay reniben’ilay zaza tamin’io fotoana io. Tamin’izay indrindra no nanararaotan’ity lehilahy ny filan-dratsiny ka nanolanany ilay zazavavikely. Nandeha ny fotoana,  ny mpiara-monina teo amin’ny manodidina no nahatsikaritra fa mibakabaka be ilay zaza mandeha. Rehefa nanontanina izy dia nolazainy fa namboarin’i Le Beloha, izay no fiantsoana ity lehilahy nahavanon-doza ity. Nataon’ny mpiara-belona ny fisavana ilay zaza ka hita tokoa fa tena simba ilay zaza, ary efa mamory nana mihitsy. Nametraka fitarainana tany amin’ny fokontany ny manodidina ka ny alakamisy 9 janoary taorian’ny fanadihadiana dia voasambotra i Beloha. Vao tany amin’ny fokontany dia efa niaiky ny heloka vitany ity lehilahy ity ary natolotra ny mpitandro filaminana avy hatrany. Fantatra moa fa vao avy nivoaka ny fonja i Beloha noho ny halabotry sy halatr’akoho tao amin’ny fokontany 3A. Voalaza koa moa araka ny loharanom-baovao fa efa notambazan’i Beloha 500 ariary ny renin’ilay ramatoa saika hanaovany ny filany, saingy nandahy ity farany.

Ilay ramatoa renibeny kosa re fa manao vavabe amin’ilay zafikeliny milaza fa handeha higadra zao i Beloha noho ny nataony.Olona iray tsara sitrapo  no mampiantrano ilay zaza ankehitriny raha ny vaovao voaray. Ary voalaza fa manao teny fampitahorana ireo fianakaviana mampiantrano ilay zaza ny renibeny ankoatra ny vavabe nataony tao amin’ny fokontany.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser