Itrangana loza matetika ireo taxi-be miasa eto Antsirabe tato ho ato. Vao tsy ela akory izay no namoizana ain’olona ny zotra iray, nisy ny nifatratra an-tantatra. Izao indray dia zotra laharana faha 10 no nandona zazavavy kely iray teo amin’ny sampanana Ambohimiandrisoa, omaly maraina tokony ho tamin’ny 11 ora teo ho eo.
Nirahin’ny reniny handeha hiantsena ilay zanany izao tra-doza izao. Teo amin’ny sampanan-dalana Ambohimiandrisoa no niseho ny loza. Ity toerana ity dia feno mpifamezivezy tokoa nefa tsy dia ahitana mpitandro filamianana matetika mandamina ny fifamoivoizana. Avy niampita ilay zaza no voadona tampoka tao amin’ny sisiny ankavanana. Lavo tamin’ny tany izy, ary mbola voahitsaka ny tongony havanana avy eo. Tsy nahitana ratra ny tongotr’ilay voahitsaka saingy nisy fivontosana be kosa. Torana tsy nahatsiaro tena ity zazavavy kely taorian’ny dona nahazo azy, ka nobataina nampidirina tao anatin’ilay fiara ihany. Tsy nahasahy nandeha anefa ilay taxi-be noho ny fahatahorana ny olona ka mbola nihainohaino teo aloha. Nobatain’ny olona ilay zaza nony farany ka nentina tamin’ny posy tao amin’ny hopitaly Andranomadio. Tsy mbola fantatra aloha hatreto ny valin’ny fitarafana nataon’ny mpitsabo, saingy voatery notazonina ao amin’ny hopitaly ilay zaza, raha ny fanazavana nomen’ny dokotera. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana be teo an-toerana moa ny zava nitranga.
Andry N.