- Publicité -
mercredi, août 13, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsiranana : « Démantèlement d'un réseau d’exploitation de jeunes enfants »

Antsiranana : « Démantèlement d’un réseau d’exploitation de jeunes enfants »

Ankizy mianadahy, ny iray 8 taona ny faharoa 5 taona, no voalazan’ny vaovao fa nalefa any Mayotte ary dia tsy tafaverin intsony hatramin’izao. Ny loharanom-boavao no nahafantarana fa efa tamin’ny faha-23 jolay no niala tao an-tranony tany Antsiranana izy mianadahy ireo. Ny dadatoany no voalaza fa naka azy ireo tao amin’ny rainy izay mipetraka ao Ambalavola ary nilaza fa hanao vankasy any amin’ny renibeny any Ambilobe. Ny renin’izy ireo kosa dia fantatra fa any Mayotte no monina. Teo anefa dia toa nivadika ny raharaha satria dia ny faha-31 jolay no no niala teto Madagasikara nandeha nakany Mayotte ireo zaza ireo. Teny Ambavany Sambirano no voalaza fa toerana niondranany.  Asa na nahafantatra ny vaovao ny rainy na tsia fa andro vitsivitsy taty aoariana, niezaka niantso ireo zanany izy. Tsy nandeha anefa ny telefonin’ireo ankizy. Avy eo niantso an’ilay dadatoany ilay rangahy . Ity farany nilaza fa lasa any ambanivolo ireo zaza nitsidika ny havany. Volana vitsy taty aoriana, efa akaiky ny fidiran’ny mpianatra ka tokony hody amin’izay izy mianadahy. Ny voalohandohanan’ny volana septambra, nilaza tamin’ny rainy ilay renibeny sy olona vitsivity fa tsy hita izay nanjavonan’izy mianadahy. Ny ampitso, izany hoe ny faha-5 septambra dia nanao filazana tany amin’ny polisy misahana ny fiarovana ny zaza tsy ampy taona ilay rainy fa tsy hita ny zanany. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa hatramin’ny nialan’ireo zaza ny tranon’ny rainy tany Ambalavola dia tsy tany Ambilobe mihitsy izy mianadahy. Vehivavy iray no ahiana ho nitondra azy ireo tany Lazaret Avaratra ary izy io no nampiakatra azy tao anaty sambokely.

Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa tsy voalohany ny tantaran’ireto mpianadahy kely ireto. Efa nisy tranga sahala amin’izao niseho mikasika ny fanondranana zaza miala ao Antsiranana. Misy andian’olona mitady mpanjifa  fotsiny no asany. Rehefa izany dia raikitra ny fanondranana manakany Mayotte. Rehefa any an-toerana dia  efa misy ny mpandray an’ireo ankizy, hoy hatrany vaovao. Maro ireo ray aman-dreny mandefa ny zanany any amin’io nosy io hitsidika ny havany. Tsy nisy hita intsony anefa izy ireo. Araka ny fantatra ihany, tsy ireo ankizy miandahy ihany no niondrana tamin’ilay sambokely fa nisy 12 hafa, izay toa hoe tsy hita koa. Efa misy fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao taorian’ny fametrahana fitarainana nataon’ireo ray aman-drenin’ny ankizy. Efa misy anaran’olona voatonontonona hatrany fantatry ny mpitandro filaminana mikasika ity raharaha ity.

  1. C.
- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici