Tamin’ny alahady lasa teo, nisy indray ny fifandonana samy eo amina andian-jatovo antsoina hoe “foroches” any Antsiranana. Vokatr’izany, olona roa no voalaza fa namoy ny ainy. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina, nisy zatovo dimy vao avy nivoaka ny fonja nandeha nanafika fivarotana zavapisotro. Nifanehitra tamina andiany hafa izy ireo tamin’izay ka teo no raikitra ny ady. Taorian’izany no nahafantarana fa nisy maty. Nisy niantso mpitandro filaminana avy hatrany nampahafantatra ny zavatra nisy.tamin’io alina. Efa samy lasa nandositra avokoa anefa ireo andian-jatovo ireo rehefa nahita fa nisy ny namoy ny ainy. Araka izany, tsy nisy ny voasambotra tamin’io fotoana io. Efa mandeha ny fanadihadiana ataon’ny zandary any an-toerana ka ho fantatra tsy ho ela ny vokatr’izany famotorana izany. Raha tsy nihetsika elaela ireo “foroches” ireo,satria efa nisy ireo nalefa tany am-ponja dia izao manao ny ataony izao indray. Mahery fihetsika tokoa ry zalahy ary dia toa tsy misy atahorany na ny mpitandro filaminana aza.
r.s.