- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Fihinanana soka-dranomasina: olona telo no maty Malemilemy, mando, avy eo...

Antsiranana : Fihinanana soka-dranomasina: olona telo no maty Malemilemy, mando, avy eo fanina tsy mahatsiaro tena izay nihinana an’ilay sokatra

Olona telo no indray namoy ny ainy ka zaza 9 volana ny iray, 9 taona ny iray ary vehivavy 20 taona iray. Io no voka-dratsin’ny fihinana fanoara na soka-dranomasina tao amin’ny fokontany Andovokonko, kaominina Ambanivohitry ny Andranovondronina. Omaly no nisian’io tranga io , raha tamin’ny alahady no nihinanan’ny sasany ilay fanoara. Efa roa andro taty aoriana vao nisy fiantraikany izany. Mahatratra 46 ireo nentina tao amin’ny hopitaliben’Antsiranana nanaraka fitsaboana.  Ny 15 tamin’izy ireo tsy maintsy notazonina noho ny aretina mbola hita aminy, ny iray mbola arahina maso ankaiky ao amin’ny “sale d’urgence”, ary 22 no notazonina noho ny fanarahana maso tsy maintsy atao ihany koa, na dia tsy mbola misy trangan’ny aretina aza , fa nihinana ilay fanoara. Efa mandray an-tanana ireo marary ny faritra Diana amin’izao. Fa ankizy roa kosa no voatazona any amin’ny hopitaly millitaire, noho ny fihinana ilay fano, fa ny iray kosa izay mbola minono, dia nahazo avy tamin’ny nonon’ny reniny.

 Nidina tany an-toerana ny manam-pahefana. Mbola nanatratra olona 28 tao amin’ny tanànan Andovokonko ireo manampahefana ireo , ary naniraka ireo olona ireo handeha any amin’ny hopitaly. Ny fiaran’ny hopitaly sy ny Emmo reg no nitatitra ireo olona rehetra ireo. Nanadihady ny tandrify azy ny avy amin’ny fahasalamana , ka nandefa ny ampahan’io fano io any amin’ny “Institut Pasteur” any Antanananrivo. Anisan’ny zavatra nanaitra ny mpitondra ny nahitana ny sasany nitsoaka  tamin’ireo olona 28 ireo, nanda tsy handeha amin’ny hopitaly. Tsy  hita ny nalehan’izy ireo rehefa nidina sambokely tao Ramena, toerana izay hiaingana. Raha naheno io tranga io ny lehiben’ny faritra DIANA Bezara Romuald dia nandray fanapahan-kevitra fa handray an-tanana ireo marary rehetra  ao amin’ny hopitaly.

Nampahatsiahy ny lalàna misy momba ny fikajiana io fano io ny talem-paritry ny tontolo iainana sy ny ala , izay nanambara fa raran’ny lalana iraisam-pirenena ny fihinana fano. Na izay aza dia nankahery ireo fianakavian’ny manaman-jo izy.

V.JCL

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser