Vao niandoha ny taona dia efa nahafaty olona ny lozam-pifamoivoizana. Tao Antsiranana, raha nandeha bisikileta ny lehilahy teratany frantsay iray 73 taona, no nisy fiara tsy mataho-dàlana nifaoka azy. Ny marainan’ny talata teo no nitrangan’izany teo anoloan’ny toby fivarotan-tsolika iray tao an-toerana. Nezahina nentina tany amin’ny hopitaly ilay vazaha mba ho fanavotana ny ainy, saingy nandamoka izany noho ny hamafin’ny dona nahazo azy. Notazonina avy hatrany ny mpamily ilay 4X4 ary nanokafan’ny zandary fanadihadiana.
Mandoto
Raikitra ny tifitra nandritra ny tsena
Olona roa no namoy ny ainy ary izany dia teo imason’ny olona marobe, satria tsena tamin’io fotoana io, tao Anjoma-Ramartina, afak’omaly. Raha ny fantatra dia nifanenjehan’ny olona izy roa lahy rehefa avy nanindrona antsy olona iray. Mbola namaly ihany izy roa lahy rehefa tratran’ny fokonolona niaraka tamin’ny zandary. Nitohy ny fanoherana na efa nisy aza ny tifi-danitra natao, raha ny fanazavan’ny zandary. Teo no voatery tsy maintsy notifirina ary dia niafara tamin’ny fahafatesan’izy roa lahy. Amin’ny roa ora antoandro no niseho izany ary dia tsy nisy tsy nahita ny rà mandriaka ny olona izay marobe tonga niantsena.
Toamasina
Tsisy vola, maty teo an-tànan-dreniny ilay zaza
Efa narary mafy ilay zaza, saingy tsy sahin-dreniny nentina teny amin’ny toeram-pitsaboana. Ny niafarany dia maty teo an-tànany. Ny tsy fananam-bola no anton’izany, araka ny fanazavan’ilay ramatoa tamin’ny olona izay nandalo ka nahita ilay zaza izay maty teo an-tànany. Amin’ny lafiny iray dia misy tsy fandraisana andraikitra ihany avy aminy; izay olon-dehibe tompon’andraikitra tokony hiaro ny zanany. Iaraha-mahalala koa anefa ny toeram-pitsaboana eto amintsika, fa rehefa tsy misy vola dia hodian’izy ireo tsy fantatra ny marary. Efa betsaka izay maty teo anoloan’ny hopitaly izay. Momba ity tranga ity, dia nisy nahazo sary ny zava-niseho ary vetivety dia niely tamin’ny tambajotra sosialy.
Brickaville
Tovolahy maty voatsindrona antsy
Lehilahy tsy ampy taona, 17 taona raha araka ny fanazavana azo no namoy ny ainy noho ny tsindrona antsy izay nahazo azy. Ny andro voalohan’ny taona koa no nahitana azy efa nitsitra teny an-dàlana. Nisy ny fanadihadiana nosokafan’ny mpitandro ny filaminana ary efa nisy ny olona nahiahiana ho tompon’antoka tamin’ity heloka bevava ity. Nosamborina io ary notanana ao amin’ny biraon’ny zandary. Maromaro sahady ny heloka bevava nitranga teto amin’ny firenena, nefa vao nanomboka kely ny taona. Na teto Andrenivohitra na tany amin’ny faritany sasany, dia nisy hatrany ny heloka bevava nitranga, ny alin’ny 31 desambra teo.
D.R