Misy sambo Catamaran antsoina hoe Catleya no very tany la Réunion, nisy nangalatra tamin’ny alin’ny 15 sy 16 agositra 2015 teo. Olona roa no fantatra fa nitondra azy, dia izany Labuschagne Johnnes Hendriekus Gerhardus, teraka 23/04/1965 tao Afrika Atsimo sy ny zanany Labuschagne Zayne Richard , teraka 2/03/1989. Manana halavany 14M io sambo kely io. Namoaka didy fampisamborana ny avy atsy La Réunions tamin’ny 26aogositra lasa teo, momba ireo olona mianaka ireo. Efa 6 andro no nijanonany tao Ampasindava, kaominina ambanivohitry Mangaoka. Tsy nisy nahafantatra ny fomba nidirany tato amin’ny helidranon’Antsiranana. Lany vatsy ary lany vola ihany koa izy ireo ka voatery nidina ny sambo , nahita olona iray nataony namana ka nasainy nanatitra azy aty Antsiranana. Tamin’izay izy no nanambara fa ento any Antsiranana izahay fa any no maka vola amin’ny banky. Tonga taty izy ireo nefa tsy nisy vola nalaina izany fa nivantana tao amin’ny Restaurant Libertalia. Araka ny fanadihadiana nataon’ireo ao amin’ny “Immigration”, tamin’izy mianaka dia namany no tompon’io Libertalia io tany amin’ny taona 2002, raha nandalo tao Nosy be izy . Ka saika andeha hangataka vola amin’io tompon’ny restaurant io i Labuschagne Johnnes Hendriekus Gerhardus. Tsy tao anefa ilay olona fa nandeha tany Nosy be, fa ny zanany no hita tao, ka nampiantrano azy ireo. Tamin’ny zoma 28 agositra no nifamaly izy mianaka ireo tao anaty efitrano nisy azy, ka henon’ilay zanaka tompon’ilay “restaurant”. Tamin’ny teny anglisy io fifamaliana io. Teo no nampisy ny ahiahy tamin’ny mpampiatrano, ka nanambara ny zavatra henony tany amin’ny polisy. Natao ny fafandihadiana tamin’izy mianaka, ary nahitana ny tarehin’izy ireo ihany koa. Ny avy amin’ny polisy “Immigration” anefa dia efa nahazo ny taratasy fanamborana na “mandat d’arrêt” no ho ny fiaraha-miasa eo amin’ny la Réunion sy Antsiranana. Teo no nisamborana izy mianaka. Ao Ampasindava amin’izao ilay sambo ary mbola eo am-pandinihana ny toerana hitondrana azy ny tompon’andraiktry ny APMF sy ny mpitondra eto Antsiranana.
V.jcl