- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsiranana II : Lehilahy notapahan-tenda dia nalevina nihohoka

Antsiranana II : Lehilahy notapahan-tenda dia nalevina nihohoka

Vola 5 000 ariary no karamin’ireo olona fantatra fa namono tamin’ny fomba feno habibiana rangahy iray.

Lehilahy 43 taona no nisy namono tany Andranofanjava, tao amin’ny fokontany Agnalamavaza, ny faha 3 april lasa teo. Tsy fantatra mazava ny antony namonoana azy. Miisa 8 lahy ireo namono azy ary teo imason’ny fokonolona ary hitan’ny ben’ny tanana sy ny lehiben’ny fokontany Agnalamavaza sy Ankiabe. Ireo no anisany mijoro vavolom-belona amin’izao raharaha izao. Araka ny fijoroana vavolombelona nataon’ny havany tamin’ny mpanao gazety dia Mohamed Abass, Ranga ,Fily, Medainy, Majola, Premier, Mily , ireo no voalaza fa namono an’i Tombozara Doro.  Notapahin’izy ireo ny lohany, ka tany amin’ny fokontany Agnalamavaza no nadevenana azy ary natao nitsimbadika ny fametrahana azy tao anaty tany. Fa amin’izao tsy mbola fatatra ny anaran’iray amin’izy ireo izay mbola karohina ihany koa. Nambaran’izy ireo koa fa i Mohamed Abass no naniraka azy ireo ary nikarama tamin’ny vola 5 000 ariary. Tamin’ny fanamborana azy dia nanontany azy ireo ny ben’ny Tanana , nefa tsy novalian’izy ireo. Niezaka nanatona ny zandary tao amin’ny “poste avanacé” saingy tsy tao izy ireo fa nanao iraka hafa momba ny vono olona ihany koa, araka ny fanazavana. Ny zandary ao amin’ny peloton 30 no miandraikitra ny fanadihadiana rehetra momba ity vono olona mahatsiravina ity.

Valy faty. Mety hisy ny valy faty raha tsy misy fandraisana andraikitra haingana amin’izao raharaha izao, satria niakatra ny hatezeran’ny fianakaviana. Nambaran’ny fianakavian’ny maty  fa efa nisy havan’ny mpamono nanatona ny fianakaviana, hanao ny raharaham-piavanana. Tsy mbola raikitra izany ary tsy tokony hisy, satria vono olona ny zavatra nitranga.

Ny resaka natao tamin’ny “commandant compagnie territorial” no nahafantarana fa efa voasambotra i Mohamed Abass, izay voalaza fa atidoha nikotrika izao famonoana izao, ary hatolotra ny fampanoavana androany ihany mba tsy hataraika ny raharaha. Nangataka ny hamoahana azy io amin’ny fahitalavitra ny fianakaviana saingy nanda aloha ny zandary, satria mety hisy fiantraikany amin’ny fikarohana ireo fito ambiny izany.

V.JCL

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser