- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Korontana ao amin'ny lycée mixte : Mbola manjavozavo ny fifanarahana

Antsiranana : Korontana ao amin’ny lycée mixte : Mbola manjavozavo ny fifanarahana

Tsy mbola matotra ny fanapahan-kevitra  nivoaka omaly nandritra ny fikaonan-doha nataon’ireo mpianatra, ny mpampianatra, ny ray amandrenin’ny mpianatra ary ny prefet-n’Antsiranana, mahakasika ny fikatsaham-bahaolana amin’ny disadisa misy ao amin’ny lycée. Nanizingizina ireo mpianatra fa mila miova toetra sy fomba fiasa ny « censeur », amin’ny fikasihan-tanana ataony ireo mpianatra. Misy koa ny mpampianatra mandeha any am-pianarana nefa tsy mampianatra , tsy misy resaka amin’izy ireo. Ireo toetra ireo, ankoatra ny andavan’andro, no nahatonga ny fitakian’ireo mpianatra mangataka ny fanesorana ny « censeur », efa ho iray volana izay. Raha ny zava-misy ao amin’ny Lycée Mixte amin’izao dia saika simba avokoa ny fitaratra rehetra noho ny hatezeran’ny mpianatra, izay nitora-bato ny sekoly. Rava ny fampianarana an-dakilasy, tsy misy ny fampianarana vanona. Nanao ezaka tao anatin’izay herinandro maromaro izay ny prefet Banoma Arsen saingy tsy mbola niravona izany. Io omaly io no fivoriana mafonja faramparany nandinihana ny vaha olana. Nanaiky ireo mpianatra fa hiverina hianatra raha miova toetra ilay mpampianatra voatonontonona anarana. Taty ivelan’ny fivoriana, raha nanontanian’ny mpanao gazety dia nilaza izy ireo fa ny fialan’ny “censeur” ihany no vaha olana.  Ho hita indray manomboka androany ny fampianarana ny fehin-kevitra tapaka tamin’izay.

VELOMANANA Jean Claude

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici