Ny talata hariva teo no natolotra teny anivon’ny Fampanoavana tao Antsiranana ilay lehilahy, voarohirohy tamina resaka trafikana “heroine” . Taorian’ny fanapahan-kevitr’ireo mpitsara mpanao famotorana dia fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany tao amin’ny fonjan’i Diego ihany ity lehilahy ity. Ny alahady teo no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny kaompanian’ny zandarimariam-pirenena Antsiranana ity mpanao trafika ity. Tamin’ny fikaroham-baovao nataon’ireto mpitandro filaminana tany an-toerana no nahafantarana fa misy lehilahy malagasy iray manaparitaka rongony mahery vaika. Efa fantampantatra ihany ny momba ity lehilahy ity sy ny toerana misy azy, ka niroso tamin’ny fisavàna ny tranony ireto mpitandro filaminana ireto rehefa nahazo alalàna tamin’ny tribonaly. Tamin’izany no nahitàna heroine amina grama maromaro tao an-trano, niampy fitaovam-pandanjàna elektrônika miisa roa fampiasany amin’ity trafika ity. Nosamborina avy hatrany moa ny lehilahy ary nentina natao famotorana. Tsy mety milaza ny olona na ny toerana niavian’ireto zavamahadomelina mahery vaika ireto mihitsy anefa izy amin’izany. Voalazany hatrany fa efa lasa ilay olona nangalàny ny entana. Taorian’ny famotorana dia io natolotra ny Fampanoavana io ilay rangahy ary dia izao nampidirina am-ponja vonjimaika izao.
m.L