- Publicité -
jeudi, juin 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Lehilahy mpiambina sekoly tsy miankina, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Antsiranana : Lehilahy mpiambina sekoly tsy miankina, novonoina tamin’ny fomba feno habibiana

Raim-pianakaviana iray izay mpiambina ao amin’ny sekoly tsy miankina « Adventiste » ao an-tampon-tanànan’ Antsiranana no maty novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinain’ny pentekôty teo. Rehefa avy nofatoran’ireo jiolahy ny tongony sy ny tanany ary ny vavany, dia notaperin’ireo tsy mataho-tody ny ainy avy eo. Raha ny vaovao voaray, dia novakian’ireo jiolahy ihany koa ny tao amin’ity trano fianarana ity. Na dia efa mandeha aza ny fikarohana ataon’ny Polisy ao Antsiranana an’ireo jiolahy mahakasika izao halatra narahina vono olona izao, dia mbola tsy fantatra hatreto ny toerana misy ireo nahavanon-doza, ka anaovan’ny mpitandro filaminana antso avo sy fanentanana amin’ny vahoaka olom-pirenena tsirairay, mba hanome loharanom-baovao mari-pototra hatrany ny Polisy amin’ny fikarohana sy fisamborana an’ireo olon-dratsy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici