Mampikaikaika ny olona ny fahamafisan’ny kolikoly eo anivon’ny fitsarana. Nitaraina ireo vondrona kandida ben’ny tanàna tsy miankina sy olon-tsotra any Antsiranana manoloana ny zavatra nisy sy nitranga, mahakasika ny fitsarana momba ny Raharaham-pifidianana farany teo. Misy ny trangana kolikoly, izay miseho amin’ny endriny maro ary taratra avy izany satria nahitana trangana fitongilanana Mpitsara amin’ireo olona manan-draharaha sasantsasany, amin’ny fanomezana vahana ny manana raharaha sasany, ny fametrahana fanontaniana mitanila, hanodinkodinana na tsy fandraisana ankolaka ny porofo entin’ny manana ady, ka miteraka tsy fanajana ny zon’ny fiarovana sy ny zo hitovy eo anatrehan’ny Fitsarana. « Mampiahiahy amin’ny fisian’ny kolikoly amin’ity fitsarana ity koa ny tsy fanajana ny paikady amin’ny fanomanana ny antontan-taratasy mialoha ny fitsarana raharaha, tamin’ny raharaha sasantsasany toy fitoriana avy ao amin’ny distrikan’Ambanja ; sy Diego II sy ny maro hafa », hoy ireo nitafa tamin’ny mpanao gazety. Araka ny vaovao azo, misy amin’ireo mpitsara ao an-toerana no efa folo taona mahery no niasa tao Antsiranana, ka lasa manana fifandrasaina akaiky amin’ny olona maro, ary anisan’izany ireo kandidà sasantsasany. Tsy takona afenina, fa mialoha ny nanombohan’ny raharaham-pitsarana, dia maro tamin’ireo kandidà no mivoaka sy miditra ao amin’ny biraon’ny ireo mpitsara ao Antsiranana ireo. Tsy vitan’izay, fa misy irony mpijirika irony, izay olona niasa tamin’ny Ladoany taloha, isan’ny manao fanelanelanana amin’ireo mpitsara ireo. Raha ny lalàna manan-kery mahakasika ny asan’ny mpitsara anefa, dia tokony hanaja ireo kasinga maromaro ny mpitsara eo am-panaovana ny asany dia « principe d’impartialité, d’integrité, de compétence, et de diligence ; » ary tsy fanajana ireo dia ahazoana sazy. « Ny raharaham-pifidianana tahaka itony moa dia makasika ilay atao hoe « ordre publique » satria fiainan’ny vahoaka no lalaovina. Noho izany, tokony mpitsara dia « redevable » amin’ny vahoaka amin’ireo didy avoakany, mba ho fanajana ilay atao hoe « legitimité », izay fototra ifaharan’ny fitoniana sy ny filaminan’ny fiarahamonina », hoy ireto mpitaraina. Ka manoloana ireo loharanom-baovao, sy tranga any Antsiranana ireo dia misintona ny sain’ny minisitera tomponandraikitra, sy Bianco izahay, satria tsy tokony handeferana intsony ny resaka kolikoly fa manimba ny fiainam-pirenena ary sakana amin’ny tanjon’ny governemanta malagasy amin’ny fametrahana ny tany tan-dalàna.
Yv SamArticles qui pourraient vous intéresser