- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Maty voatifitra Doro mpangalatra omby nikohoizana

Antsiranana : Maty voatifitra Doro mpangalatra omby nikohoizana

Araka ny filazan’ny vahoaka avy any Andranofanjava niresaka tamin’ny mpanao gazety tamin’ny zoma dia halatra omby no nahafaty an’i Tombozara Doro na Dagnaka. Nisy ombin’ny Atoa Abas, olona  izay voalaza fa namono azy. Tratra tamin’ny ireo omby roa ireo no nahatonga ny fitsaram-bahoaka.

Efa ela no nitadiavana azy ary efa malaza sady efa avy nigadra koa momba io raharahan’ny halatra omby io araka ny fanazavana ihany . Tsy misy olona tsy mahafantatra azy amin’io kaominina io, amin’ny asa ataony. Na ny rainy sy  ny reniny niteraka azy de nanary azy ary nilaza fa “raha maty androany ianao dia aleviko androany”. Fa ny resaka natao tamin’ny ben’ny Tanana iray izay mahafantatra ny raharaha dia nanambara fa tena olona ratsy io Doro na Dagnaka io, izay maty. Ary mbola ilay olona nitazona amponja izao Atoa Abas no niantoka ny omby niandrasana ny fatiny talohany nandevenana azy. Ary mbola misy zanan’ilay maty koa no taizainy ao aminy. Milaza izay hoy ilay ben’ny Tanana fa tsy olona ratsy I Abas. Torak’izany koa ny nambaran’ny solenan’ny fianakavian sy ny fokonolona. Fa ny fianakaviana avy amin’ny mamany , izay mipetraka aty Antsiranana no nanao fitoriana sy nanao valandresaka tami’ny mpanao gazety. Nambaran’ity ben’ny Tanana izay nanazava ny fandehandraharaha ity taminay dia efa saika nisy fifanarahana nataon’ny fianakaviana amin’ny vola 40 million Fmg, saingy 100 million no nitadiavin’ny fianakavianan’ny maty. Tsy nisy zany ny fianakavian’ilay voalaza fa namono. Teo no nahatonga ny raharaha niakatra fitsarana amin’izao. Ka mitaky ary mangataka ny fanadihadiana feno ataon’ny fitsarana ny fianakavian’Atoa Abasa mba ahaizany ny marina .

V.JCL

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser