- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Miaina anaty delestage ny vahoaka

Antsiranana : Miaina anaty delestage ny vahoaka

Efa ho herinandro, mba tsy hiresahana iray volana, izay no miaina anaty “delestege” ny vahoaka eto Antsiranana. Tsy maharaka intsony ny famatsiana solika mampandeha ny milina ao amin’ny ENELEC, noho ny fahatapahan’ny lalana. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny JIRAMA fa tsy misy fahasimban’ny milina fa ny fitsisiana  solika no mahatonga ny fanapahana. Tokony ho solika iray andro dia tsy maintsy atao ny mampaharitra azy ho roa na telo andro. Amin’izao 40%n’ny tanàna ihany no mahazo jiro ny antoandro, fa manomboka amin’ny dimy ora hariva no  100% no mahazo izany. Io no fomba fitsitsiana hitan’ny mpitantana ny orinasa , mba tsy hisian’ny haizina tanteraka eto Antsiranana renivohitry ny faritra DIANA. Izay no ianana amin’ny renivohitra, efa tsy resahina intsony ny any amin’ny distrika. Hatramin’izao dia mbola tsy fantatra ny andro ahatongavan’ny solika fanampiny fa ny teny avy any amin’ny foibe dia ny “efa lasa any”, lasa aiza de ovina no tonga aty?Tsy misy fanazavana azo atao momba ity raharaha ity sy ny vaha olana maharitra raha tsy ny fanamboarana ny lalana ao Antanetilava , distrikan’i Mampikony. Efa niainana izany tamin’ny taona lasa ary mbola iainana amin’izao.

V.JCL

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici