Ny talata tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina no nahitana miaramila namaky “tuyau” mitondra solika mankany amin’ny “logistique petrolière” . Io fantsona io dia mandalo ao amin’ny SECREN, ka tao no nandavahany , nangalany ilay solika. Eo am-panaovana io asa ratsy io izy no tratran’ny mpiambina. Teo no nahafantarana fa miaramila izy ary efa nigadra noho io halatra io ihany. In-droa amin’izao izy no hita sy voarohirohy amin’ny halatra, saingy tsy fantatra ity farany. Nanambara ireo mpiambina fa efa maro ny zavatra very tamin’ity orinasa ity, Soa ihany fa tsy mbola tonga ny sambo mpamatsy solika tamin’io, ka tsy nampisy loza goavana nitranga. Na izany dia misy kely ihany no tavela amin’ireny tuyau ireny aorian’ny famatsiana ny “logistique pétrolière”. Saika loza no tao amin’ny SECREN raha misy io famatsiana solika io.
Nahagaga vosotra ilay olona. Tsy ny mpiambina ny SECREN fotsiny , fa teo koa ny mpitandro ny filaminana ao amin’ny SECREN, gaga ny maro ny maraina fa lasa nandositra ilay olona. Tsy hita popoka ary tsy hita hatramin’ny antoandron’ny alakamisy , omaly. Lasa saina ny maro sao dia mba misy mpiray petsapetsa amin’ny olona teo. Ny alina tontolo izy tsy nandositra , fa ny maraina , lasa nanjavona tampoka. Na izany dia efa manao ny tandrify azy ny tompon’andraikitry ny miaramila sy ny avy amin’ny orin’asa SECREN.
V.JCL