
Efa taona maromaro ihany izay no nahafantaran’ny mpanara-baovao ity fikambanana andian-jatovo, mampihorohoro sy mahery setra fantatra amin’ny anarana hoe « foroche » ity tao an-tampon-tananan’Antsiranana tao. Nisy fotoana efa maro tamin’izy ireo no voasambotra ary nidoboka am-ponja, namela ireo mponina niaina am-pilaminana tsy nisy tahotra tany an-toerana. Efa maro ireo nihevitra fa rava tanteraka ity vondrona ity nandritra izay fotoana somary nangingina izay. Ankehitriny anefa, toa miverina indray ny laza ratsin’izy ireo, izay miteraka horohoro sy fitebitebeana amin’ireo mponina. Eo anatrehan’izay dia nisy avy hatrany ny fandraisana andraikitra nataon’ny teo anivon’ny kaomisarian’ny pôlisy any an-toerana, entina mamongotra ity vondro feno herisetra ity. Raha ny fampitam-baovaon’ny pôlisy dia efa nisy fito tamin’ireo mpikambana no voasambotra ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny fokontany Tanambao Soafeno. Nadoboka am-ponja avy hatrany izy ireo, taorian’ny fiakarany teny anivon’ny Fampanoavana, ny voalohan’ny herinandro teo. Tsy maintsy handraisana fepetra izy ireo, hoy teo anivon’ny mpitandro filaminana fa « malaza ratsy amin’ny fandikan-dalàna samihafa toy ny fandrahonana amin’ny fitaovam-piadiana sy zava-maranitra, fanaovana herisetra sy ady an-dalambe ary miteraka horohoro sy tsy fandriampahalemana ho an’ny mponina ao an-tampontanànan’Antsiranana ireto tanora ireto »
m.L
TOLÉRANCE ZÉRO !!!!
La Police et la Gendarmerie de DIÉGO ont les moyens de mettre de l’ordre si ils le veulent Vraiment.
Un Bon DRESSAGE, croyez moi ils ne recommenceront plus jamais.