Lehilahy iray mpanakalo devizy no norobaina telo lahy nitam-piadiana, voalaza fa nisaron-tava ny roa tamin’ireo jiolahy, tamina hotely iray lehibe tao Antsiranana, ny tolakandron’ny 16 jolay teo, tokony ho tamin’ny telo ora, ka lasan’ny olon-dratsy tamin’izany ny lelavola efatra tapitrisa Ariary. Vokatry ny daroka sy fanakendana nihatra tamin’ity mpandraharaha ity, dia naratra mafy tsy nahatsiaro tena ihany koa izy. Araka ny tati-baovao voaray, dia nampiasa fitaka niantso an-telefaonina an’ity mpanakalo devizy ity ireo olon-dratsy, ary nilaza fa manana vola vahiny 1.200€ hatakalo, no sady nanoro ny trano fandraisam-bahiny iray misy azy ireo, izay nanatanterahan’ireo jiolahy ny asa ratsiny. Raha vao naharay ny antso tahaka ny mahazatra amin’ny asa fanaony isan’andro ity mpanakalo devizy ity, dia namonjy an’ilay fandraisam-bahiny voalazan’ny nilaza fa hanakalo vola. Niditra tao anaty efitra izy ary nahatazana lehilahy iray ihany, nefa tampoka teo nisy roa hafa nisaron-tava namono avy hatrany azy. Ny nahavalalanina ny maro tamin’ity raharaha ity, dia ireo jiolahy indray no niantso ny fianakavian’ilay lehilahy niharan-doza, izay nilaza fa nisy nanafika ity farany sady nanoro ny toerana sy laharan’ny efitra nanafihana azy. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy, satria tadidin’ny voatafika ny tarehin’ny iray tamin’ireo jiolahy. Noho ny fihetsika miendrika fandotoana ny hoteliny, dia nametraka fitoriana ihany koa ny tompon’ilay trano fandraisam-bahiny.
Eric Manitrisa