- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsiranana : Mpisolovava nidaroka mpanao gazety

Antsiranana : Mpisolovava nidaroka mpanao gazety

Ny asabotsy  tokony tamin’ny  9 ora sy sasany tany ho any no nitrangan’io fikasian-tanana ny mpanao gazety amperin’asa io teto Antsiranana. Ny fakana sarin’ny lozam-pifaoivoizana  , ka ny fiaran’io mpisolo vava io no anisan’ny niharan’ny loza tamin’izany , teo ankaikin’ny mosquée Zoma no nisian’izany. Raha naka sarin’ny loza  ilay mpanao gazety ary teo anatrehan’ireo polisy izay nanao “constatation”, iny fa niziriziry avy lavitra ity mpisolo vava ity. Nantontan’ny tamin’ilay mpanao gazety ny hatezerany. Nisamborin’ny teo amin’ny tendan’akanjony izy ary nifamisarika izy roa hatrain’ny 20 metatra teo. Tsy vitan’izay fa mila ho simbainy mihintsy ny fitaovana nampiasaina n any camera. Nanao fanitaram-pahefana izy ary nibaiko ilay mpanao gazety hamafa ny sariny ao anaty camera, tsy nanaiky ilay mpanao gazety. Efa nisamboriny ilay camera, izay saika hanimba ny fitaovam-panjakana mihintsy. Io fitaovana io anefa fitaovana tokana ampiasan’ny Radio sy Télévision Varatraza ao Antsiranana.

Fanaparam-pahefana. Niantso polisy izy , izay naniraka ny hisamborana ilay mpanao gazety satria tsy nahazo alalana haka sary azy. Misy lalana hoy izy mandrara izany. Ny fahafantaran’ny mpanao gazety anefa rehefa ankalamanjana dia tokony tsy ankana izany fahazoan-dalana izany. Ny loza nitranga teo amin’ny lalam-pirenena faha enina mamakivaky ny tananan’Antsiranana.

Tamin’ny fanadihadiana nataonay ny tolakandro tamin’io toerana io dia maro ny vahoaka nilaza fa tsy rariny ny nataon’ilay mpisolo vava nikasin-tanana ny mpanao gazety. Samban’ny vahoaka nahita ny zavatra nandalo toy izany teto Antsiranana. Tsy malalaka amin’ny fanaovana ny asany ny mpanao gazety raha iny tranga iny. Nampatahaorina ho gadraina ny mpanao gazety tamin’io fotoana io hoy ny nahita maso. Na ny mpitandro ny filaminana nanao ny “constatation” aza gaga tamin’ny zavatra nitranga.

Tatitra eny amin’ny minisitera. Tsy manaiky ny fikasihan-tanana ny mpanao gazety ny mpanao gazety namany rehetra aty Antsiranana na inona na inona no antony, fa indrindra amin’ny fanatanterahana ny asany. Miantso ny fitondram-panjakana ireo mpanao gazety any Antsiranana , mba hijery ankaiky io raharaha io. Tsy sambany nisy io fat any amin’ny faritra Atsinana farany teo , ary nikisaka any Avaratra izy amin’izao. Tokony havela malalaka ny mpanao gazety anao ny asany fa tsy tokony tahotra sy horohoro no atao amin’ny isan’andro.Manameloka ny herisetra ato amin’ny mpanao gazety ministeran’ny serasera. Raha nahazo tatitra momba io tranga niseho io tamin’ny mpanao gazety teto Antsiranana izay  nanambara fa manameloka tsy misy hindrafo ny fanaovana herisetra atao  amin’ny mpano gazety sy ny fanimbana ny fitaovam-panjakana. Anao izay heriny rehetra hanoherana izany ny ministera.

V.JCL

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser