Lehilahy roa no voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisaria boriborintany voalohany ao Antsiranana noho ny resaka fanendahana sy fikambanan-jiolahy. Ry zareo ao anatin’ny Foroche ireto tratra ireto. Nahazo antso avy amin’ny olona tsara sitra-po ny polisy fa tena ikoizana ny asa fanendahana miharo vono eny amin’iny faritra Grand Pavois sy Soafeno, Mahatsara ary Tsaramandroso, any an-toerana. Noho izany dia nidina sy nanao fanaraha-maso ary fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Lehilahy miisa roa no voasambotra. Nentina avy hatrany teny anivon’ny biraon’ny polisy ireto jiolahy ireto nanaovana fanadihadiana. Tamin’ny fanadihadiana dia malaza ratsy mihitsy ireto jiolahy ireto amin’ny asa fanendahana sy fikambanan-jiolahy na irony atao hoe Foroche irony. Fantatra ihany koa fa efa misy raharaha maro mahakasika azy ireo teny amin’ny fitsarana noho ireo asa ratsiny ireo, ary efa matetika miditra am-ponja. Mbola mitohy ny fanadihadiana.
Yv Sam