Nitady fitsaram-bahoaka ny olona ary tonga marobe teo amin’ny biraon’ny polisy. Ny antony dia ny fandrenesan’iretsy voalohany fa voasambotra ny olona namono ny mpamily taxibe iray tao an-toerana. Vao nandre izany dia tonga nirodorodo teny amin’ny kaomisaria, indrindra ny havan’ny maty. Voatery nohamafisina avy hatrany ny fiambenana ny toerana ary tonga teny hatramin’ny miaramila sy ny zandary nanampy ny fiambenana. Noresahina nilamina anefa ireo olona marobe ary nampahafantarina azy ireo ny lalàna ary dia nilamina ihany ny raharaha ary niala tsikelikely teo. Saika zava-doza indray koa izany ity nitranga raha tsy haingana sy nahomby ny fifampiresahana. Tsiahivina fa vao andro vitsy izay no notafihan’ny olona ny biraon’ny zandary tao Ankazimiriotra. Mitovy hatrany ny antony dia ny fikasàna hanao fitsaram-bahoaka amin’ny olona voasambotra. Amin’ny fijery hafa dia toa fantatry ny olona ihany ny ambaratonga amin’ny fanenjehana ara-keloka, toa ny hoe mandalo fanadihadiana, fitazomana am-ponja vonjimaika ary fitsaràna. Saingy misy tsy fahatokisana ary dia ny fitsaram-bahoaka avy hatrany no tadiavin’izy ireo.
D.R