Tsy namelan’ny olona nenjehany hatramin’ny farany ireo mpitandro ny filaminana. Na izany aza nisy iray nahavita nanavo-tena ihany tamin’izy ireo raha nosamborin’ny olona ny roa ary nisy voatifitra mihitsy aza ka samy naratra mafy. Ny alarobia teo, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, tao amin’ny fokontany Namakia, distrikan’Antsiranana voalohany no niseho ny raharaha. Nisy fifandonana teo amin’ireo polisy ireo sy ny mponina sasantsasany tao an-toerana. Raha ny filazan’ny olona dia saika hanatontosa iraka tany amin’io toerana io izy ireo. Samy nanao fanamiana sivily izy ireo ary raha ny fihevitry ny olona dia handeha handroba olona izay mitondra omby roa. Nisy rahateo ny fitifirana nataon’ireo polisy tamin’ny ramatoa iray ary izay no tena niteraka ny hatezerana. Vetivety dia vory ny fokonolona raha nandre ny zava-nisy. Raikitra ny fanenjehana ireo mpitandro ny filaminana telo lahy. Voasambotra aloha ny irayary nilaza fa miasa eo anivon’ny FIP. Nitohy ihany ny fanenjehana tany anaty ala tany ary tratra koa ny faharoa izay mbola nilaza koa fa miasa eo anivon’io vondrona io. Ny fahatelo no tafaporitsaka ary tsy hita izay nalehany. Samy naratra mafy ireo roa lahy ary tsaboina ao amin’ny hopitaly ao Antsiranana. Torak’izay ihany koa ilay ramatoa izay voatifitr’izy ireo. Very ny basin’izy ireo nandritry ny sakoroka saingy efa azon’ny zandary tany amin’ny fokonolona ary naverin’izy ireo tamin’ny polisy rehefa vita ny firaiketana an-tsoratra. Ny polisy ihany no misahana ny fanadihadiana saingy kosa arahin’ny zandary maso akaiky ny fivoaran’ny raharaha.
D.R
Antsiranana : Polisy roa notifirin’ny olona tao Namakia
Articles qui pourraient vous intéresser