Ny 28 aogositra 2015, tokony tamin’ny 5 ora sy sasany hariva dia nahazo antso tamin’ny alalan’ny VHF canal 16 ny Agence Portuaire Maritime et Fluvial ( APMF), teto Antsiranana avy tamin’ny sambo lay Hortensia, fa misy sambo lay atao hoe : Grenadine rendrika eo anelanelan’ny Cap D’Ambre sy Bobaomby, ka mila vonjy. Araka ny nambaran’io sambo Hortensia io, dia in-telo nandefa afo fangatahana vonjy ilay sambo Grenadine, hitany. Tokony ho tamin’ny 9 ora alina tamin’io andro 28 agositra io ihany no nahazoana vaovao farany avy tamin’ny sambo Hortensia momba ilay sambo rendrika. Misy olona efatra no ao anatiny araka ny voalaza ary afaka nivoaka tao anatin’ilay sambo Grenadine, tamin’ny alalan’ny “radeau de sauvetage”. Fa tsy fantatra kosa ny toerana nisy azy ireo, fa ny toerana misy an’io sambo rendrika io ( position géographinque) no nomeny tamin’ny 10 ora alina , ka tany amin’ny 011° 056’ 26” Sud, 045° 24’ 41” Est. Ny asabotsy maraina tamin’ny 10 ora sy sasany dia nahazo antso avy amin’ny sambo ‘à voile Makika’ avy any la Réunion , izay ho any Captown Afrika Atsimo, fa nahita olona efatra tao anatin’ny “radeau de sauvetage”, izay nanambara fa hametraka azy ireo akaikin’ny plage Ramena. Araka ny vaovao azo dia tamin’ny telo ora maraina no nahitana azy ireo any amin’ny 360 m miala ny nosy volana ,araka ny vaovao nampitain’ilay sambo Makika. Natao ny ezaka rehetra hoy ny talem-paritry Azenort Dany Gerard, fa efa natao ny alanenina rehetra fa tsy mbola misy vaovao hatramin’izao.
Tsy ampy ny fitaovana nampiasaina
Raha nahazo antso ny APMF tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, dia niantso ny “Base navale” Antsiranana , mba hitady vahaolana. Tany amin’ny 1 ora sy sasany alina no niainga ny sambo Trozona. Noho ny olana ara-pitaovana, dia sambo iray io ihany no azo nampiasaina, raha tokony hampiasa ny helikoptera nijery ireo olona ireo. Tsy maintsy nanao fikarohana anefa ny tompon’andraikitra nanomboka tao Ramena, Baie de Sakalava, Baie de Duine, hatrany Ivovona ,ilany atsimo indrindra amin’ny “Baie de Diégo”. Tsy nisy olona nahita na nahefa io tranga io. Taorian’izay dia nisy ny fivoriana nataon’ny OMC, notarihin’ny prefet an’Antsiranana, Banoma Arsen. Ny fitadiavana ireo olona ireo no nahamaika, alohan’ny anaovana ny fanadihadiana rehetra momba ilay Grenadine. Omaly alahady dia mbola nitohy ny fitadiavana ary tsy mbola nahazoana ny mazava. Latsaka ahiahy ny vahoaka amin’ny ny zavamisy , aiza marina ireo olona ireo? Misy marina ve io sambo, sao misy fifangaroany amin’ny jiolahin-tsambo. Mbola ho hita ny tohiny.
V.JCL