Sambo avy any amin’ny firenena arabo ka hanatitra solika ao Diégo. Bahamas no anarany ary niraikitra amin’ny fasika ny lohany ka nitarika fahatapahan’ny ilany kely aminy izany. Omaly dia tonga tany Antsiranana ny ekipa teknika nanao ny fanadihadiana rehetra mba hitadiavana vahaolana amin’izay tsy haharendrika ny sambo. Tapaka tamin’izany fa mila esorina ao anatiny ny 2000 taonina amin’ireo solika mba hampitsingevana indray ny sambo ka hahafahana mitarika azy any an-toeran-kafa. Efa nisy ny sambo “remorqueur” avy ao Seychelles nafarana saingy afaka efatra andro izany vao ho tonga. Nilazàna ihany koa ny “remorqueur” iray hafa avy ao Toamasina mba ho tonga avy hatrany hanavotra ity sambo ahiana ho rendrika ity. Isan’ny teknisiana tonga tao Antsiranana ny manam-pahaizana manokana amin’ny fijirihina ny ao ambany ranomasina. Izany dia mba hahafahana mijery izay fomba hisintonana ny sambo ka tsy haharendrika azy hatrany. Fantatra hatreto fa hotaritina avy hatrany hivoaka ny ranomasin’i Madagasikara ity sambo ity raha vao afaka mihetsika
D.R