Efa efa-bolana taty afara vao tonga saina hitondra ilay zaza any amin’ny hopitaly ny reniny raha naheno fofona maimbo tamin’ilay zazavavy kely. Ity papahelin’ilay zaza ity dia fianakaviana iray amin’ilay tovovavy kely 11 taona. Ny anabavin’ny papan’ilay zaza no nitaiza azy mianaka ireo. Tao amin’ny fokontany Tsaramandroso no nitrangan’izany .Tamin’ny alatsinainy 24 febroary vao tapa-kevitra ity anabavin-drainy ity nitondra ny zaza tany amin’ny hopitaly. Tamin’ny fizahana nataon’ny dokotera mpitsabo manokana ny zaza tsy ampy taona no nahafantarana fa nisy nanao zavatra hafahafa io zazavavy io. Tsy nanaiky nanambara ny anaran’ilay papaheliny izy satria efa nampitahorina. Nanda nilaza ny anaran’ilay nahavanona loza izy. Efa taty amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona, raha nanontanian’ny “officier Baraka Victoir, dia nanambara ny anaran’ilay zandrin’ny papany io.
Tamin’ny fotoana nandehanan’ny angovaviny nadeha nanao ny fetin’ny maty tany Antsirabe no nanaovany izany voalohany. Raha nitantara ity ankizy vavy ity dia isaky ny mamo izy no manao io asany io. Fa nidirany tao amin’ny efitra nisy azy ilay tovovavy dia nesoriny ny kilotiny avy eo niakatra teo izy, nanao izay nataony. Tsy sahy nitantara ilay tovovavy satria nampitahoriny. Vonoiny raha mialaza sy manambara izany aman’olona. Nahagaga ny fianakaviana ny zava–nisy satria noheverina ho matotra ity nahavanon-doza ity, satria efa 28 taona. Tsy mahagaga, hoy ny sasany, satria tsy mianatra, tsy miasa ity nahavanon-doza ity. Afaka roa andro no hanolorana ny raharaha any amin’ny Fampanoavana.
V.JCL