Lehiben-jiolahy iray 31 taona, malaza ratsy ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fandrobana ao Antsiranana sy any amin’ny Faritra Diana no voatifitry ny Polisin’ny FIP, ny harivan’ny zoma teo, tokony ho tamin’ny 6 ora sy sasany, tao amin’ny Fokontany Ambomitsinjo, an-tampon-tanànan’ Antsiranana. Raha ny vaovao voaray, dia jiolahy roa no saron’ny mpitandro filaminana teo am-pamakiana tranon’olona. Rehefa nosamborina ireto olon-dratsy nitam-piadiana, dia nanohitra mafy ka voatery niaro tena nampiasa ny basy teny am-pelan-tanany ny Polisy. Tao anaty fifandonana, jiolahy iray antsoina hoe : Mohamed dit Momed izay voalaza, fa avy any Mahasoa Distrikan’ Ambilobe no naratra mafy voatifitra. Ity farany moa, raha ny fantatra, dia mbola tsy mahatsiaro tena, tsaboina ao amin’ny hopitalin’Antsiranana. Mitohy kosa ny fikarohana ilay jiolahy tafaporitsaka naman’ity voatifitra.
Eric Manitrisa