- Publicité -
dimanche, juillet 20, 2025
AccueilFaits-DiversAntsoantany Antsirabe : Sprinter iray nisy nanakana,voatora-bato, nisy naratra

Antsoantany Antsirabe : Sprinter iray nisy nanakana,voatora-bato, nisy naratra

Nisehoana fanakan-dalana indray ny RN 7, fiara Sprinter avy any Tsiroanomandidy no nisy nanakana tao Antsoantany Antsirabe, ny marainan’ny alarobia lasa teo.

Fiara mpitatitra avy any Tsiroanomandidy hihazo an’Ambositra ity nisy nanakana tao Antsoantany ity tokony ho tamin’ny roa ora maraina ny alarobia lasa teo. Araka ny fantatra, nizotra tsy nisy naninona ity fiara ity hatrany Tsiroanomandidy mihazo ny  lalam-pirenena voalohany iny, saingy nisehoan-doza kosa rehefa hiditra an’Antsirabe. Nisy nanakana tamin’ny hazo be teo am-povoan-dalana raha ny fantatra. Tsy nahasakana ilay sprinter anefa io hazo io fa nahita hirika ny mpamily ka afaka teo ihany. Poa tahak’izay anefa, tora-bato variraraka no nihatra tamin’ilay fiara ka nahavaky ny “pare brise”-n’ilay sprinter. Potika ny fitaratra ka voatora-bato ny teo anoloana , isan’izany ny vadin’ilay mpamily nipetraka teo anilany ka naratra mafy. Ankoatra azy dia nisy olona vitsivitsy ihany koa no naratra. Tsy nampihemohatra ilay mpamily izany fa ny lalany no nizorany mafy. Afa-doza noho izany ireo mpandeha fa na dia izany aza potika kosa ny fiara ka vaotery najanona teto Antsirabe ankoatra izay ny fitondrana ireo naratra tany amin’ny hopitaly.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici