- Publicité -
dimanche, juillet 6, 2025
AccueilFaits-DiversAntsoatany : Mbola misy ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy

Antsoatany : Mbola misy ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy

Notontosaina ny sabotsy 9 martsa lasa teo ny fankalazana ny andron’ny vehivavy tao amin’ny kaominina ambanivohitra Antsoatany. Mbola nifanotrona tamin’ny fankalazana ny an’ny distrika natao tao Ambohibary no antony nanemorana ny fankalazana. Tsy nampiova zavatra anefa izany fa ny zava-dehibe dia tafita ny hafatra napetraka nandritra ny fankalazana, hoy Ramatoa Nalitiana Ramanantenasoaniaina, ben’ny tanana an’Antsotany. Ho an’ny kaomininana ambanivohitra Antsoatany dia mbola misy  ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizy ka izany no nitondrany hafatra mba hitsaharan’izany herisetra izany sy hanajana ny zon’ny vehivavy. Hetsika maro no nentina nanamarika ny fotoana, niainga tamin’ny diabe nanerana ny tanana izay notarihan-dramatoa ben’ny tanana. Ankoatra izay, nisy ny ady baolina nifanandrinan’ny vehivavy avy amin’ny kaominina Antsoatany sy ny kaomininina Mangarano. Marihina moa fa roa no vehivavy ben’ny tanana eto amin’ny distrikan’Antsirabe II dia ny ao Antsoatany sy Mangarano.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici