- Publicité -
lundi, juillet 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsoatany : Nisy namaky ny biraon’ny zandary, jiolahy iray maty voatifitra

Antsoatany : Nisy namaky ny biraon’ny zandary, jiolahy iray maty voatifitra

Efa fahasahiana diso kajy mihitsy ny an’ireto jiolahy fa ny biraon’ny zandary tao Antsoatany, distrika Antsirabe II, mihitsy no notafihan-dry zalahy.

Niaiky ny tsy fandriam-pahalemana rahateo ny ben’ny tanana ao an-toerana fa nahazo laka mihitsy ny vaky trano sy ny halatra omby ary ny halatra madinidinika sy ny fanafihana tao Antsoatany tao. Lasibatra hatramin’ny biraon’ny zandary, nisy nanafika ny birao ny talata lasa teo. Tsy niandry ela ny fanadihadiana fa niroso tamin’ny fisavana avy hatrany ny zandary. Jiolahy iray no mahana ary nitsoaka nandositra raha vao nahita ny zandary. Nifanjehana ilay io ary niafara tamin’ny fitifirana mihitsy rehefa tsy nijanona tamin’ny fampitandremana natao. Naratra mafy ranamana ary mbola nentina nanaovana fanadihadiana. Niaiky ity farany fa tena nandray anjara tamin’ny vaky trano nisesy sy ny tobin’ny zandary. Ankoatra izay, isan’ny nandray anjara tamin’ireo fanafihana sy halatra omby ary nanondro ny namany maromaro. Eo am-pikarohana ireo namany ny zandary amin’izao fotoana. Fantatra kosa fa na nezahina nentina namonjy toeram-pitsabona aza ity jiolahy voatifitra ity dia tsy tana intsony ny ainy vokatry ny fahaverezan-drà be loatra.

Andry N. 

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici