- Publicité -
dimanche, juillet 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsoatany : Nisy sahy namaky ny biraon’ny zandary

Antsoatany : Nisy sahy namaky ny biraon’ny zandary

Tsy namelan’ireo mpitandro ny filaminana raha tsy voasambotra ny voarohirohy ho tompon’antoka. Trano iray izay fipetrahan’ireo zandary miasa mandehandeha no nisy namaky, ny alin’ny talata teo. Lasa tao hatramin’ny fandriana fatorian’ireo mpitandro ny filaminana. Torak’izany koa ny fitaovana fandrahoana sakafo. Tao amin’ny fokontany antsoina hoe Vohitsoa, ao ambanivohitr’Antsoatany no nitranga izany asaratsy izany. Nanao ny fanenjehana ny mpitandro ny filaminana ary nanomboka hita soritra ny tompon’andraikitra tamin’ilay famakiana trano. Olona iray no nosamborina ary teo am-panatontosana an’izany no nisy fikasana hitsoaka avy aminy. Teo no nampiasa hery ny zandary raha araka ny fanazavana azo. Natao ny tifi-danitra izay tsy nahomby, satria mbola nanohy ny diany ihany ilay olona. Voatery notifirina ka naratra mafy ary namoy ny ainy iny alina iny ihany tany amin’ny toeram-pitsaboana.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici