- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsobolo : Vehivavy lehibe maty irery tao an-tranony, nohanin’ny biby

Antsobolo : Vehivavy lehibe maty irery tao an-tranony, nohanin’ny biby

Tato anatin’ity trano ity no hita faty ilay ramatoabe.

Efa mangilam-potsy tanteraka iny felan-tanany ankavia, mitohy mihazo ny lanton-tsandriny iny, ny handriny sy ny manodidina ny tarehiny iny, tsy misy nofo intsony fa efa taolana sisa mitrakitraky tazomin’ireo hozatra kely zara raha misy. Vehivavy lehibe iray, 64 taona no hita faty tetsy Antsobolo, tsy lavitry ny cité-n’ny mpianatra omaly maraina. Nisy biby nihinana sy nikiky ny tanany sy ny manodidina ny tarehiny. Omaly tokony ho tamin’ny fito ora sy sasany maraina no nisy nampandre ny teo anivon’ny fokontany, mahakasika ity tranga mampivarahontsana ity. « Tsy fombany velively ny matory maraina ary izay no nanaitra anay. Handeha hanatitra sakafo maraina ho azy aho no mbola nihidy be ny tranony », hoy ny filazan’ity vinantovaviny. Mipetra-drery ity vaviantitra ity, fantatry ny rehetra amin’ny anarana hoe «  maman’i Solofo » eny an-toerana. Na izany aza, manatitra sakafo sy mamangy azy isan’andro ny zanany sy ny vinantony. « Mbola niresaka taminay teo izy saingy nilaza ho reradreraka fotsiny omaly hariva (ndlr alatsinainy), tamin’ny fotoana nanateranay ny sakafo harivany tao. Voatery nandao azy moa izahay tamin’io fotoana io, tokony ho tamin’ny fito tany ho any fa tsy maintsy mamonjy ny tokantrano ihany koa. Kanjo androany maraina dia izao no zava-nitranga », hoy hatrany ity vadin-janany ity. Raha ny tombatombana teny an-toerana dia ankevitry ny efa namoy ny ainy izy vao io nohanin’ny biby io. « Misy olona mipetraka mantsy ao ambadika ary tsy maintsy ho nandre ireo raha nisy zavatra hafahafa na biby tafiditra tao aminy » hoy ny tompon’andraikitry ny fokontany teny an-toerana. Hatreto dia tsy fantatra fotsiny hoe inona ilay biby nihinana azy taorian’izay. Filazan’ny olona teny an-toerana fa hoe voalavo, saingy tsy dia inoan’ny rehetra loatra raha hoe voalavo no nahavita nikiky hatramin’ny taolana mihitsy, felan-tanana sy handrin’olona iray ao anatin’ny indray alina monja. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitra isan-karazany, ireo polisy avy eo anivon’ny kaomisarian’ny boriboritany fahatelo sy ny mpitsabo, nijery ifotony ny zava-nisy. Amin’ny toe-javatra toa izao dia tsy maintsy misy ny fanokafana fanadihadiana, satria nisy aina nafoy tao ary tamin’ny fomba hafahafa sy mampiahiahy ihany.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici