- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntsofinondry : Mpitondra moto tafasitrika tao ambany fiaran’ny JIRAMA

Antsofinondry : Mpitondra moto tafasitrika tao ambany fiaran’ny JIRAMA

accidentNisehoana lozam-pifamoivoizana teny Antsofinondry Sabotsy Namehana, omaly tamin’ny 2 ora tolakandro. Moto iray no tonga dia tafasitrika tany ambany kamiaon’ny JIRAMA teo amin’ilay fiolahana hiakatra ny tanàna iny. Hita amin’ny sary, eo amin’ny lohan’ilay fiara no nifatratra ilay moto, nipitika lavidavitra kosa ny olona nitondra azy. Maratra mafy tokoa ilay olona ary tsy maintsy nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Amin’izao fotoana izao, mbola atahorana ny ainy. Vetivety foana dia nitangorona ny olona. Ireo nahita ny fandehan-javatra samy nilaza fa vokatry ny fandehanana mafy ity loza ity. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana sy nahalalana fa nijanona teo amin’ny sisin-dalana ilay fiarabe tamin’io fotoana io. Ho any Talata Volonondry nitondra entana mavesatra ilay izy. Fiolahana, araka ny efa voalaza ery ambony no nisy ny loza.

Re teny an-toerana taorian’ny loza ny resaka marobe miompana amin’ny mpitondra moto  eto amintsika. Matetika, hoy ny sasany, tsy mahalala na dia ny faran’ny kely indrindra mifehy ny lalànan’ny fifamoivoizana ireo mpitondra moto. Maro amin’izy ireny no misongona avy aty an-kavanana, izay zavatra tsy azo atao mihitsy. Ao indray ireo miditra tsy mahalala izay hahafaty azy anelenelan’ny fiara roa mifanena, sy ny sisa tsy voatanisa. Tsy mahagaga, hoy ity rangahy iray, raha misy ny loza aterak’izany tsy fahalalana izany. Fotoana angamba izao hitakiana fahazoan-dalana mitondra kodiaran-droa ho an’ireny olona ireny. Amin’izay mantsy, hoy ihany ny resaka re, mba mihena ny loza mandratra na koa mahafaty mihitsy etsy sy eroa.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser