- Publicité SW45 -
samedi, juillet 27, 2024
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Ady tany niafara tamin’ny fikapana antsibe

Antsohihy : Ady tany niafara tamin’ny fikapana antsibe

Ny 20 martsa teo no nisehoan’ny raharaha tao amin’ny tanànan’ Andreba. Lehilahy telo no efa niandry ny  fandalovan’ity lehilahy iray manana disadisa amin’izy ireo, fifanolanana amin’ny resaka tany moa ny fototry ny olana ka efa mifampiandriandry fotsiny ireto olona ireto.

Efa tazan’izy telo lahy ary fa nandeha irery ity lehilahy no indro notorahan’izy ireo ny lefona, nahay niala anefa ilay farany ka tsy naninona. Tezitra noho izany ilay voatoraka ka avy hatrany dia nihazakazaka nanenjika azy telo lahy. Izy telo lahy koa moa nirifatra nitsoaka raha vao tsy nahavoa ilay nokendrena. Tratra ary ny iray tamin’izy telo lahy ka nofirain’ity lehilahy tamin’ny antsibe, tsy nitazam-potsiny ny nanatri-maso fa dia nampisaraka azy ireto. Voa mafy tamin’izany ity voakapan’ny antsibe ka nentina namonjy ny hopitaly tao Antsohihy. Toa ohatran’ny miteny hoe”namono biby tsy nahafaty izy telo lahy ireto”, efa nentina eo am-pelatanan’ny manampahefana ny raharaha amin’izao fotoana izao mba hisorohana ny mety ho valifaty hitranga any ambadika any ho any ary ny zandarimaria ao Antsohihy no mikarakara ny famotorana.

ALEM

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser