
Tsy ny nanavotra ny naratra na ny nanao izay nampijanonana ny solika no mby tao an-tsainy olona voalohany raha nahita ilay kamiao mpitatitra solika nivadika, fa kosa ny nihazakazaka nody dia naka fitaovana hitatazana ny solika tao anatiny. Hafakely tanteraka ankehitriny ny zava-misy rehefa manoloana ny loza izay tsy mananontanona intsony fa manambana. Omaly, raha nivoaka ny làlana ilay fiara voalaza etsy ambony, tao Antsohihy, dia toa mana nilatsaka avy any an-danitra ny fahitàn’ny olona an’izany. Mba tsy nisy ny aina nafoy tamin’ny olona tao anatin’ilay fiara. Naratra ny mpamily sy ny mpanampy azy. Raha ny fanazavana azon’ny mpitandro ny filaminana dia fialana lavaka no nitarika ny lozam-pifamoivoizana. Niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana tamin’ny lalam-pirenena ny zava-nitranga. Na ny taxi-brousse sasany izay nandalo aza dia namoaka ihany koa izay azo nasiana solika tao aminy ary nanararaotra toy ny olon-drehetra. Ny lozam-pifamoivoizana teo ihany fa kosa ny tsy fahatsapan’ireo olona fa loza manambana ho azy ireo no niseho no tena mahalatanjona. Raha sanatria ka nisy pitik’afo na nifoka sigara, na somary lavidavitra aza, dia ahiana ho faty olona nikararana no niseho. Solika aman’arivony litatra no notaterina tamin’ilay kamiao ary mazava ho azy fa raha nirefotra izany dia faritra lehibe no indray levona. Saingy tsy tao an-tsain’ny olona intsony izay mety ho fiantraikan’izany. Rehefa nahazo solika kely litatra vitsivitsy tsirairay dia samy falifaly, tsy nieritreritra akory fa efa nihaodihaody teo ny fahafatesana. Betsaka ny tranga toy izany ary toa mampametra-panontaniana aza hoe izay ve ny endrika tia karokaroka amin’ny olona sasany? Ohatra hita matetika, indrindra tamin’ireny andron’ny “baomba” ireny : isaky ny misy hita dia itangoronana, nefa dia fantatra izao vao baomba. Torak’izany ihany, misy grenady hita eo amoron-dàlana, poa toa izay dia mitangorona ny olona mba hijery izany. Hatreto koa moa dia tsy mbola manana ireny fitaovana entina hamefena ny toerana atahorana ireny ny mpitandro ny filaminana hany ka tsy voatàna ny olona tsy hirohotra hijery. Eto amintsika ihany angamba no misy rototra hijery baomba sy hanatona kamiao mpitatitra solika nivadika izany. Mahavariana…
D.R