Taorian’ilay fanafihana ny tobin-drelijiozy « Noviciat des Frères Mineurs Capucins » tao Ambendrana, Antsohihy, ka nahafatesana pretra iray dia fantatra izao fa efa nisy ireo olona voasambotra, voarohirohy ho isan’ireo nanafika tamin’ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo. Miisa 13 izy ireo araka ny vaovao azo avy any an-toerana ary efa samy nentina nanaovana fanadihadiana tany amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana avokoa. Araka ny fanazavàna azo dia mponina any amin’iny faritra iny ireto olona nosamborina sy natao famotorana ireto. Tsiahivina fa tamin’io alina io dia andian’olona maromaro no tonga nanafika ity tobin-drelijiozy ity. Raha ny fanazavàna azo dia ny lakolosy tao an-toerana no tena nokendren’ireo olon-dratsy, izay raha ny vaovao hatrany dia efa maromaro ihany no nisy nikasa ny hangalatra saingy niala maina avokoa. Tsiahivina fa ny alin’ny sabotsy hifoha alahady lasa teo no nanao amboletra niditra tao amin’ity toby ireo olon-dratsy. Sahy nanohitra izany fanafihana izany ny frera iray. Saingy nitifitra avy hatrany ireo olon-dratsy. Tsy nahavoa fa nisolifatra fotsiny bala. Na izany aza anefa dia naratra mafy ity frera ity. Nahita izany koa ilay pretra lehiben’ilay toby ka nanampy ilay mpianany. Tanam-polo no nentin’ity mompera ity nifanandrina tamin’ireo olon-dratsy nirongo fiadiana. Voan’ny bala teo amin’ny tratrany ilay relijiozy. Nahazo ny fony izany ary dia namoy ny ainy teo no ho no eo ihany. Somary mahagaga ihany ny zava-nitranga teo, satria dia nitsoaka ireto mpanafika nony avy eo, ary tavela tao an-trano ny kitapo kely irey feno bala, hety iray, kapa maromaro, ary kilaoty sy satroka. Inoana fa avy tamin’ireo zavatra hadino ireto no nahafahan’ireo mpitandro filaminana nanao ny fikarohana ka izao niafara tamin’ny fisamborana ireto olona 13 ireto. Raha ny mikasika ilay frera naratra kosa dia fantatra fa efa nampiakarina aty an-drenivohitra ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Any an-toerana kosa no andrasana ny nofo mangatsiakan’ilay pretra ary hapetraka ao amin’ny fasan’ny « Frères Mineurs Capucins » Ambendrana Antsohihy ihany.
m.L