- Publicité -
mercredi, mai 14, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Fiara namono olona, maty voarasarasan’ny olona ilay mpamily

Antsohihy : Fiara namono olona, maty voarasarasan’ny olona ilay mpamily

Nitrangana fitsaram-bahoaka niharo habibiana indray tany amin’iny faritra Antsohihy iny, ny talata lasa teo. Araka ny vaovao voaray dia matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpamily ny fiara iray rehefa avy namono olona tamin’ny lozam-pifamoivoizana. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa somary nandeha mafy ihany ity fiara ity ary tamin’izany no nisy posy nitsivalana ny lalana teo amin’ny toerana antsoina hoe Antanambao Andringandringana. Niala io posy io izy ary nifatratra tamin’ireo olona marobe teny an-tsisin-dalana. Naratra mafy ary maty vokatry ny dona nahazo azy ny olona telo, izay nalefa haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana, raha ny fampitam-baovao azonay hatrany. Vetivety dia nitangoronon’ny olona ilay fiara tsy mataho-dalana ary raikitra ny antsoantso. Nanentana an’ilay mpamily hitsoaka ny namany niaraka taminy tao anaty fiara, kanefa tsy nety nandeha ity farany, satria nolazainy fa tsy maintsy mandray andraikitra izy satria nandona olona. Ity mpamily ity, araka izany, no niharan’ny hatezeran’ireo vahoaka marobe nitangorona. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana fa nokapain’ny olona tamin’ny zava-maranitra ny lohany ary avy eo norasarasain’izy ireo. Namoy ny ainy teo no ho eo ihany koa ity lehilahy 50 taona, mpamily ny fiara ity. Tonga teny an-toerana tamin’io fotoana io ny mpitandro filaminana saingy tsy nahatohatra ireo olona marobe, raha ny voalazan’izy ireo. Araka ny voalazan’ny mpitandro filaminana ihany koa dia fiaran’ny ministeran’ny Tontolo iainana ity fiara tsy mataho-dalana ity. Efa eo am-pelatan’iretsy voalohany amin’izao fotoana izao ny raharaha.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser