Anio no tokony hiatrika Fitsarana Hiatrika ady heloka bevava tsotra ao amin’ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany any Antsohihy ilay lehilahy teratany Karàna izay voarohirohy ho namono ny vadiny tamin’ny 31 Desambra 2016. Raha tsiahivina ny antony nahatonga ity raharaha ity teny amin’ny Fitsarana ka nahatonga ny ahiahy hipetraka amin’ilay lehilahy ny vokatry ny fizahana natao tamin’ny razana. Ny dokotera nanao fizahana ny razana voalohany dia nilaza fa famonoan-tena no nahafaty ilay vehivavy. Nisy anefa ny « contre-expertise » nampanaovin’ny Fitsarana rehefa nisy ny ahiahy manodidina ilay fahafatesana. Dokotera maromaro no nanao izany ka namoaka fa tsy nahitana soritra na “indices” ahafahana manamarina ny famonoan-tena ny vatan’ilay vehivavy sy ny toerana nahitana ny vatana mangatsiakany ka voamarina fa vono no nahafaty azy. Ahiana anefa ny tsy hahatanteraka ity Fitsarana anio ity, raha araka ny vaovao farany. Hatramin’ny omaly 6 Aogositra, mbola miriaria manao ny asany andavan’andro ao Antsohihy ity lehilahy ity rehefa nahazo fahafahana vonjimaika tamin’ny volana Aprily. Raha ny voalazan’ny lalàna manan-kery anefa , dia milaza fa tokony hisy didy fampakana azy na « ordonnance de prise de corps » avoakan’ny Tribonaly, hamerenana azy any am-ponja 48 ora mialoha ny hiatrehany Fitsarana. Ny loharanom-baovao azo antoka iray avy eo anivon’ny polisy ao Antsohihy anefa dia milaza fa hatramin’ny omaly, tsy mbola naharay ny didy an-taratasy mifandraika amin’izany ireto mpitandro filaminana ireto.
T.M.