- Publicité -
mardi, juillet 8, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy: Lehilahy tra-tehaka nangalatra dokotra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Antsohihy: Lehilahy tra-tehaka nangalatra dokotra, matin’ny fitsaram-bahoaka

Raim-pianakaviana manodidina ny 40 taona eo, voalaza fa tra-tehaka ambodiomby nangalatra dokotra iray no matin’ny fitsaram-bahoaka, afak’omaly antoandro, tao Ambendrana, an-tampon-tanànan’ Antsohihy, renivohitry ny Faritra Sofia. Raha vao azo sambo-belona ity lehilahy nofatorana niaraka tamin’ny vorona avy nangalariny ity, dia tsy nananan’ny fokonolona teo an-tanàna antra mihitsy, na dia nifona mafy aza, ary nilaza fa tsy hamerin-keloka intsony. Nisy tamin’ny olona vory teo no tonga dia nikapa antsilava lela azy, tao no nidaroka tamin’ny vantan-kazo. Noho ny ratra mafy nahazo an’ity mpangalatra dia maty teo no ho eo izy, avy eo notaritarihan’ny olona ohatra ny fatim-biby ny fatiny, ary navela teo amin’ny fokontany Tsaramandroso, ka teo ny havany no naka ny razana. Talohan’ny namonoan’olona an’ity raim-pianakaviana ity, araka ny tati-baovao voaray, dia niezaka nanazava ny antony nanosika azy nangalatra dokotra ny tenany, ary nilazany fa noho ny hanoanany sy ny vady aman-janany tsy misy sakafo no nahatonga azy hangalatra. Na teo aza izany fanazavany izany, dia tsy nanakana ny fokonolona romotra sy leom-boan’anana amin’ny firongatry ny asa ratsy any an-toerana nanapitra ny ain’ity mpangalatra tra-tehaka.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici