- Publicité SW45 -
mercredi, juin 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Mopera EKAR , maty voatifitra kalachnikov

Antsohihy : Mopera EKAR , maty voatifitra kalachnikov

Nitsofohan’ny jiolahy mitam-basy tao amin’ny fikamban-drelijiozy Capucins, ao amin’ny EKAR Ambendrana-Antsohihy, omaly tokony ho tamin’ny iray ora sy sasany maraina. Telo lahy nitondra basy no nifanehatra tamin’ny frera iray voalohany izay taitra raha naheno olona nivezivezy tao ivelany. Voatifitra teo amin’ny tratrany io raha araka ny fanamarihana azo. Izy io dia voatery nalefa niakatra aty Andrenivohitra mba ho fanavotana ny ainy, taorian’ny fanafihana. Raha naheno ny feom-basy indray ny tao an-trano dia nivoaka ihany koa. Isan’izany ny mopera iray antsoina hoe Njiva Lucine izay nivoaka niaraka tamin’ny basim-borona. Nisy iray nifanena teo amin’ny làlany ary novelesiny tamin’ilay fitaovam-piadiana. Nitsoaka io jiolahy ary teo am-panarahana azy indrindra i mopera no nisy tifitra variraraka tampoka. Tifitra tamin’ny basy kalachnikov izany ary nisy bala iray nifanandrify ny fony ka nitarika ny fahafatesany teo an-toerana ihany. Rehefa lavo ity mopera  46 taona ity, dia mbola lasan’ireo olon-dratsy ihany koa ny basim-borona nentiny. Mbola amin’io andro io ihany koa no nisy hotely iray lehibe,  « hotely valiha », izay nitsofohan’ny jiolahy mitam-basy. Voatifitra tamin’izany ny tompon’ilay toerana ary naratra mafy. Niombon-kevitra ny mponin’Antsohihy fa nirongatra ny asan-jiolahy. Omaly ihany koa dia efa nisy ny teny fampiononana maro avy amin’ny mpino katôlika tamin’ny alàlan’ny tambajotran-tserasera Ino Vaovao. Tany amin’ny fiangonana katôlika maro ihany koa omaly dia nolazaina tao anatin’ny filazam-baovao ity fanafihan-jiolahy nitarika fahafatesan’ny mpitari-piangonana ity. Mihoatra ny tokony ho izy ny tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny Nosy. Vao tsy ela akory izay no nisy fikambanana masera notafihan’ny jiolahy ary tsy vitan’ny fanafihana, fa mbola nitohy tamin’ny fanolanana ireo vahiny tao an-toerana . Izao koa mahita faisana ny fikambanan-drelijiozy ao Antsohihy. Raha ny fantatra, dia ny lakolosim-piangonana no nataon’ireo olon-dratsy ireo lasibatra. Saingy tsy tontosa izany rehefa taitra ny olona tao amin’ny EKAR. Saingy niteraka rà mandriaka sy fahafatesana izany…

D.R

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici