- Publicité -
mercredi, juin 18, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Mpamily nisy naka an-keriny niaraka tamin’ny fiarany, tsy hita maty,...

Antsohihy : Mpamily nisy naka an-keriny niaraka tamin’ny fiarany, tsy hita maty, tsy hita velona

Hita ilay fiara fa efa niova loko.
Hita ilay fiara fa efa niova loko.

Hatreto, iray volana lasa izay, dia mbola tsy nandrenesam-baovao ny mikasika an’i Fano, mpamily amina zotra nasionaly iray, mampitohy an’Antananarivo sy Antsohihy. Raha tsiahivina kely ny tantara, ny 17 Jolay lasa iny, dia nisy naka tao Antsohihy, hanao « special » ity mpamily ity, niaraka tamin’ny fiara. Olona, izay raha ny fanazavan’ireo havany sy ny solontenan’ireo mpitatitra mizotra amin’iny lalana iny, fa mpifanerasera aminy sy mpamily toa azy ihany. Iny alina iny ihany anefa, sady tsy tody taty Antananarivo ilay fiara no tsy fantatra hoe nankaiza. Rehefa natao ny fanadihadiana, dia hita tao amina tokotany iray, tao Antsohihy ilay fiara nentiny, herinandro taorian’io tsy fahitana ilay fiara io. Miaraka amin’ny lakilen’ny fiara sy ny taratasy momba azy, ary ilay taksibrosy efa niova loko. Ilay mpamily kosa, tsy fantatra hoe nankaiza. Ny hany fantatra fotsiny, nahitana rà teo amin’ny sezan’ny mpamily, izay efa voarakotra, raha ny voalazan’ireo havany hatrany. Ilay mpamily kosa, tsy fantatra hatreto aloha na mbola velona any, na efa maty. Araka ny fantatra dia olona maromaro ihany no voarohirohy tamin’ity raharaha ity ary enina tamin’izy ireo no naiditra am-ponja vonjimaika. Izy ireo anefa, raha ny loharom-baovao hatrany dia tsy nety nilaza ny misy ilay mpamily. Marihina fa mbola misy ireo olona tadiavina, ka ao anatin’izany ireo naka an’ilay fiara hanao « special ». Saingy manao antso avo ihany ny fianakavian’i Fano, lehilahy 45 taona, amin’ireo olona mety afaka hanome vaovao azy ireo mikasika ity havany ity. Manahy ihany koa mantsy ireo fianakaviana ireo fa sao dia misy zavatra ambadika izao tsy fahitana ny havany izao. Nanamafy ihany, etsy andaniny, ny filoha lefitry ny sendikàn’ireo mpitatitra, Atoa Rakotamavo Phillipe, ny tsy hanamaivanana izao zavatra mitranga izao, mba hiarovana ny ain’ireo mpamily, mpanao zotra nasionaly.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser