- Publicité -
mercredi, juillet 2, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Mpiadina bakalôrea ara-panatanjahantena, nindaosin’ny fahafatesana tampoka

Antsohihy : Mpiadina bakalôrea ara-panatanjahantena, nindaosin’ny fahafatesana tampoka

Na dia eo aza ny fitokonana ataon’ireo mpanabe mpiasam-panjanaka amina fari-piadidiam-pampianarana maro eto amintsika, dia niroso hatrany ny adina ara-panatanjahantena, tany amin’ny Cisco-n’ Antsohihy, renivohitry ny Faritra Sofia. Araka ny tati-baovao voaray, dia tovolahy iray kilasy famaranana, izay avy any amin’ny Kaominina Ampandriakilandy, no nindaosin’ny fahafatesana taorian’ny niatrehany adina ara-panatanjahantena bakalorea. Taorian’ny hazakazaka natrehiny ny zoma teo, dia torana tsy nahatsiaro tena niakarapoka teo ambony kianja ity tovolahy ity, ka nentina haingana teny amin’ny hopitaly. Na dia nanao ny farafahaizany sy niala nenina mafy tamin’ny fitsaboana azy ny dokotera, dia tsy tana ny ain’ity tovolahy mpianatra. Ary voalaza fa ny tsy fahampiana fanazarantena no ahiana ho antony nitarika ny fahafatesany.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici