- Publicité -
mercredi, juillet 9, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Nisy ben’ny tanàna sy ny ekipany voafira antsy

Antsohihy : Nisy ben’ny tanàna sy ny ekipany voafira antsy

Sao mba ny ainy mihitsy no nofofoina ? (sary nindramina)

Tao anatin’ny trano fandraisam-bahiny no niseho ny fanafihana. Natory tao amin’ny hotely iray tao Antsohihy ny ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Andribavontsona sy ny ekipany no nisy nanafika. Omaly maraina manodidina ny tamin’ny roa ora no niseho izany fandrobana izany. Voafira antsy teo amin’ny lohany ilay olom-boafidy; izay antsoina hoe Rabezato Jules. Naratra koa ny lefiny ary io aza no tena voa mafy raha araka ny vaovao avy any an-toerana. Teo amin’ny lohany, ny tànany ary ny manakaiky ny masony no voafira antsy. Vola mitentina 1,3 tapitrisa ariary no lasan’ireo olon-dratsy ary nentin’ireo koa ny atontan-taratasy izay niaraka tamin’ireo olom-boafidy ireo. Rehefa avy eo, dia hita narian’ireo tao anaty lavapiringa fotsiny izany. Raha araka ny vaovao azo hatrany, dia namonjy ny fivoriana izay nokarakarain’ny lehiben’ny distrikan’Analalava izay mifandraika amin’ny famindram-pahefana no niakaran’izy ireo tao Antsohihy, kinanjo io nohararaotin’ny jiolahy tampoka io. Isan’ny naratra mafy tamin’ity fanafihana ity koa ny mpiambina ilay hotely. Mba nanao izay ho afany izy, saingy be loatra ny mpanafika.Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana avy hatrany izy telo lahy ary mbola araha-maso akaiky ny toe-pahasalamany avy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici