- Publicité SW45 -
mercredi, janvier 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Pôlisy voarohirohy nangalatra môtô an’ny pôlisy

Antsohihy : Pôlisy voarohirohy nangalatra môtô an’ny pôlisy

Voarohirohy ho tafiditra ao anatin’ny tambajotran’ny mpangalatra môtô izy ary an’ny namany ihany ilay kodiaran-droa very. Ireo sivily niaraka taminy dia efa nidoboka am-ponja vonjimaika fa izy koa mbola handrasana ny fanomezan’ny ministry ny pôlisy na tsia ny alàlana ny fanenjehana azy (ordre de poursuite). Niakatra fampanoavana ity raharaha ity rehefa nitory ny tompon’ny kodiaran-droa. Efa teny ambony fiara hotaterina ho any Port-Bergé raha niala tao Antsohihy ny môtô no hita. Najanona avy hatrany ny fiara ary nosamborina ireo izay niray petsapetsa tao anatin’ny raharaha. Ny tena nahataitra ny rehetra satria malaza ao an-toerana ity zava-nitranga ity, dia ny fahafantarana fa mpiray toeram-piasàna ary mpiray andiany ihany ireo pôlisy izay very môtô ny iray ary voarohirohy ho nangalatra izany ny faharoa.

D.R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

  1. Ny maha olona no very tanteraka noho ny fitiavan-kely, Fitiavan- tena, Fitiavam- bola diso tafahoatra sy indrindra : nohon’ ny TSY fisian-tsaina . ireo no fototry ny fahantrana.

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici