- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Raim-pianakaviana iray novonoin’ny jiolahy tao an-tranony

Antsohihy : Raim-pianakaviana iray novonoin’ny jiolahy tao an-tranony

Tsy mandry fahalemana ny any amin’ny Distrikan’Antsohihy, ka miaina ao anaty horohoro ny ankamaroan’ny mponina. Taorian’ny nanafihan’ny jiolahy ny Ben’ny tanànan’ Andribavontsona tamina trano fandraisam-bahiny iray tao an-tampon-tanànan’ Antsohihy, dia tokantrano iray tao Ambendrana, Fokontany Ankiririky, Kaominina ambonivohitra Antsohihy no nidirana telo lahy nitam-piadiana an-keriny, afak’omaly naraina tokony ho tamin’ny iray ora naraina, ka raim-pianakaviana iray no namoy ny ainy vokatry ny daroka sy vono nataon’ireo olon-dratsy, raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly CHRR (service Chirurgie) kosa ny vadiny izay voadaroka ihany koa. « Telo lahy no niditra an-keriny tato aminay hangalatra akoho amam-borona sy entana saro-bidy vitsivitsy. Nodakan’ireo olon-dratsy ny varavarana, ka nivoaka ny raiko niady tamin’ireo jiolahy nefa tsy naharesy azy telo lahy. Noho ny daroka mafy nahazo ny raiko, dia nitolefika tsy nahatsiaro tena izy, ary namoy ny ainy. Mbola teo am-pitsofana kiririoka niantso vonjy tamin’ny manodidina kosa ny reniko no nodarohan’ireo mpandroba mafy, ka nitolefika tsy nahatsiaro tena avy hatrany ihany koa », raha ny nambaran’ny zanaka lahimatoan’ny voatafika, zazalahy 14 taona.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici