- Publicité -
dimanche, mai 11, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy - RN6 : Fiara taksiborosy sprinter nivadika, telo maty, mpandeha 10...

Antsohihy – RN6 : Fiara taksiborosy sprinter nivadika, telo maty, mpandeha 10 hafa naratra mafy

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina nahafatesana olona indray tany amin’ny lalam-pirenena fahenina iny, ny harivan’ny fito novambra lasa teo, tokony ho tamin’ny 7 ora. Fiara taksiborosy sprinter iray,manao zotra rezionaly mampitohy an’i Mahajanga sy Antsohihy, no nivadika ambony ambany, teo amin’ny tanànan’ Anjiajia kely Pk 270+360, 12 km tsy hidirana ny tampon-tanànan’ Antsohihy, ka olona roa no maty tsy tra-drano teo ho eo. Rehefa tonga teny amin’ny hopitaly kosa dia namoy ny ainy ny mpandeha iray. Ary olona folo hafa kosa naratra mafy tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity, ka anisan’izany ny mpamily. Raha ny fantatra dia noho ny fahavakisan’ny kodiarana iray tao arinan’ity fiara sprinter ity nipoaka no nahatonga ny loza, ka nampivadika io taksiborosy voalaza fa nandeha mafy io. Araka ny tati-baovao voaray dia efa nosintonin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) tamin’ny mpamily sady tompon’ny fiara ny antontan-taratasy rehetra momba ity fiara nahavanon-doza ity, ka miandry ny didim-pitsarana havoakan’ny fitsarana mikasika ny tranga no hahazoana mihazona na famerenana ilay taratasy fahazoan-dalana any amin’ny tompon’ny fiara na tsia. Hareto raha ny fanazavana azo avy amin’ny tompon’andraikitry ny ATT ao Mahajanga, dia mihantona ny fanomezan-dalana hitrandraka na “licence d’exploitation” sy fanomezan-dalana voatokana hiainga na ny “autorisation special” ho an’ny kaoperativa niasan’ity sprinter namono olona ity. “ Lalàna manankery ampiharina amin’ireo kaoperativa rehetra na nationaly na rezionaly nanao lozam-pifamoivoizana io. Tsy hikoso-maso amin’ireo fiara na koa mpamily manao antsirambina ny ain’ny mpandeha izahay “, hoy ity tompon’andraikitra ity nanamafy.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici