Iray taonina sy dimampolo kilao. Ireo no totalin’ny rongony sy paraky gasy voarara saron’ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Anahidrano, tao Ambalafaminty, Antsohihy, ny voalohan’ny herinandro teo. Vokatry ny fanomezam-baovao azon’ny zandary tany an-toerana no nahazoana io vokatry io, araka ny fanazavana azo. Voalaza mantsy, fa misy andian’olona mitondra gony mampiahiahy, tao amin’io tanàna voalaza etsy ambony io. Nisy avy hatrany ny fisafoana sy fiambenana kizo ka tra-tehaka teo ireto zava-mahadomelina ireto. Ambonin’ireo gony 22 nisy ireto rongony sy paraky voarara ireto, dia nisy olona telo voasambotry ny zandary, rehefa nifanenjehana hatrany anaty ala tany. Mbola nisy hafa tafatsoaka tamin’izy ireo. Nogiazana, avy eo nodorana avy hatrany ireo rongony raha nomena ny sampan-draharaham-panjakana miandraikitra izany kosa ireo paraky gasy. Ireo voasambotra kosa dia efa miatrika ny fanadihadiana azy ireo hahafantarana ny niavian’ireto zava-mahadomelina ireto. Efa mandeha kosa ny fikarohana ireo tafatsoaka any an-toerana.
m.L