- Publicité -
samedi, juillet 5, 2025
AccueilFaits-DiversAntsohihy : Voatifitry ny BC tao anaty akata i Georgie, mpaka an-keriny...

Antsohihy : Voatifitry ny BC tao anaty akata i Georgie, mpaka an-keriny karàna

Izy no voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fakàna an-keriny izay tsy tontosa saingy nahafaty an’i Fahrane tetsy Mangasoavina-Besarety. Izy ihany koa no mbola voatonona ho tompon’antoka tamin’ny kidnapping an’ilay karàna antsoina hoe Chandarana tetsy Behoririka. Tsy izay ihany fa mbola i Georgie ihany koa, no namoahana « avis de recherche » avy amin’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava (BC), rehefa nitranga ny famonoana olona tany Antsohihy. Momba io raharaha farany io dia relijiozy fikambanan’ny Capucins ary manana andraikitra teo anivon’ny Ekar Ambendrana-Antsohihy, no maty notifiriny tamin’ny Kalachnikov tamin’ny volana aprilin’ity taona ity. Halatra lakolosy sy fandrobana vola no tena anton’ilay vonoan’olona. Lava ny lisitry ny asaratsy nataon’i Georgie, satria ankoatra ny fakàna an-keriny  dia mbola voatondro ho tompon’antoka tamin’ny fanafihana mitam-piadiana maro teto an-drenivohitra sy tany amin’ny faritra ny tenany. Isan’izany ny fandrobana ny MCB tany Mahajanga, ny Air Mad tetsy Ankorondrano, sy ny sisa hafa izay mbola fantarina anatin’ny fanadihadiana. Tapitra ny hazakazany omaly vao maraina rehefa nitontonan’ny BC tany Antsohihy, toerana niereny, izany rehefa niala teto an-drenivohitra. Nifampitady tao anaty akata ny roa tonta ary tao anaty fotaka mandrevo izy no lavon’ireo pôlisy. Nisy fifamaliana tifitra, raha araka ny loharanom-baovao eo anivon’ny pôlisy. Isan’ny vava efa nataon’i Georgie ny hoe tsy maintsy mahafaty iray amin’ireo mpanara-dia azy izy alohan’ny nahafatesany, ary izany no nahatonga ireo pôlisy nampiasa ny fara-heriny tamin’ny fisamborana, izay niafara tamin’ny fahafatesany. Ny fanontanina mipetraka dia hoe mijanona hatreo amin’ny fahafatesan’ity lehilahy ity ve izany ny fanadihadiana momba ireo raharaha azo lazaina fa arahin’ny besinimaro ireo ? Nentiny niara-maty aminy ve ny tsiambaratelo rehetra izay tokony havoakan’ny fanadihadiana ? Mazava mantsy fa tsy i Georgie irery no hahafantatra izay misy ny vola eto an-drenivohitra fa tsy maintsy misy miray tendro aminy.

D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici