Maromaro ihany ireo zavatra simba, ary saika fiaran’olon-tsotra avokoa ny ankabeazany. Tsy vitan’izay fa nitondra faisana avokoa izay olona sendra nifanena tamin’izy ireo. Tsy lazaina intsony ny fanakorontanana, ny tabataba, ny ompa sy tenin-dratsy isan-karazany. Izany no zava-niseho ny harivan’ny alahady lasa teo, rehefa nirava ilay fampisehoana maimaim-poana, izay natao tao amin’ny Coliseum Antsonjombe. Zatovo maromaro, manao andiany izy ireo, izay inoana fa efa samy entin’ny zava-mahadomelina avokoa, no nitanjozotra nandeha an-tongotra tamin’iny Analamahitsy iny, Alarobia, mihazo an’Ankorondrano sy Ankazomanga iny. Voakorontana tanteraka ireo mponina tamin’ireo faritra rehetra nolalovan’ireo andian-jatovo ireto, na ireo tany an-trano na ireo nandeha fiara. “Mibahana ny arabe izy ireo ary manakana izay fiara sendra nandalo. Rehefa tsy manaiky ireo fiara, avy hatrany dia ompa, toraka ary fanimbàna no setrin’izany” hoy ireo mponina. Raha ny fantatra dia maromaro ihany ireo fiara simba tamin’io fotoana io. Niharan’izany fanimbàna izany ihany koa ny ankabeazan’ireo zavatra sendra azy ireo teny an-dalàna. Ary ny tena loza tamin’izany, teo Ankorondrano, mihazo ny làlana mankany amin’ny lalam-baovao iny, tsy menatra mihitsy ireto andian-jatovo ireto, nanao tambabe sy nanendaka olona izay sendra nifanena tamin’izy ireo. “Toy izao foana no mitranga rehefa misy fety tsy handoavam-bola ao amin’io toerana io, eny fa na dia eo aza ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana” hoy ny fitantarana olona mipetraka eny amin’iny faritra Analamahitsy iny. Amin’izay hoe, tsy handoavam-bola izay tokoa mantsy dia feno hipoka avokoa ny toerana fanaovam-pety rehetra na aiza io na aiza. Ary rehefa toerana no be olona, tsy lavitra eo mihitsy ry zalahy tontakely, raha tsy ho lazaina fotsiny amin’izao vanin’andro fety izao, izay mahabe olona mpiantsena sy ny podium isan-karazany. Raha fehezina, ambohimpihaonan’ireo mpanendaka, mpangarom-paosy, ny mpanolana, sy maro karazany araka izany … ato ho ato. Koa aleo mailo hatrany.
m.L