- Publicité SW45 -
jeudi, juillet 4, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAosozato Atxinana I : Vzloma hatreo ny asan-jiolahy

Aosozato Atxinana I : Vzloma hatreo ny asan-jiolahy

Dingana lehibe tokony halain’ireo fokontany hafa manerana ny nosy ity nataon-Anosizato Atsinannana I, ao anatin’ny boriboritany faha 4, kaominina Antananarivo Renivohitra ity. Isan’’ireo fokontany tena sahirana eo amin’ny lafiny fihariana ny mponina ao. Antony iray mampirongatra ny tsy fandriampahalema sy ny asan-jiolahy ka mampihorohoro ny vahoaka eny an-toerana. Olana izay azo sorohana amin’ny fomba tsotra anefa izany, hoy Rafanomezantsoa Jean Nirina, filohan’ity fokontany ity izay vao nandray ny fitantanana izany 20 andro teo izay. Aminy, ,ny fieraha-mientan’ny rehetra ihany no vahaolana ka nahatonga azy nanapa-kevitra nanetsika ireo mponina eny an-toerana  hanangana ny vaomieran’ny fandriam-pahalemana izay efa am-perinasa sahady ankehitriny. Ity farany izay tsy maintsy hiara-miasa amin’ny mpitandro ny filaminana ara-dalàna. Eo amin’izay lafiny  izay indrindra no nahatonga ity Filoham-pokontany vaovao ity nitady hevitra hananganana tobin’ny polisy (poste avancé de police) eo anivon’ny fokonatany Anosizato Atsinanana I. Ezaka izay fiaraha-miasa amin’ireo olona tsara sitrapo ary mahatsapa ny  maha-dehibe ny fandriampahalemana antoky ny fampandrosoana.  Noho izay fiaraha-mientana izay dia nanomboka tamin’nty herinandro ity ny fanorenana ny trano hatao tobin”ny polisy  eo aniivon’ity fokonatny ity izay mifanindran-dalana amin’ny fanavaozana ny biraon’nyfokontany ka antenaina ho vita tsy ho ela . Santatra am-bavarano ihany izy ity fa ny tanjona dia ny mba hitaran’izany eny anivon’ny kaominina rehetra. Tanjona moa dia ny hametraka an’Anosizato Atsinanana ho kaominina “Pilote” eo amin’ny famampadrosoana ifotony. 

T.M.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici