- Publicité SW45 -
jeudi, décembre 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversApirenena Antoko Vonjy iray tsimivaky : Mijoto ho mpanelanelana hatrany

Apirenena Antoko Vonjy iray tsimivaky : Mijoto ho mpanelanelana hatrany

Manoloana ny toe-draharaha mafampana eo amin’ny raharaham-pirenena ankehitriny,  dia nanambara ny Vonjy iray tsimivaky  fa mitazona hatrany ny foto-kevitra nijoroany hatramin’ny nanorenana azy ity antoko izy. Fampiraisana ny Malagasy no tanjon’ny antoko, ary Izany dia tsy maintsy mikendry ny tombontsoan’ny vzhoakarehetra isam-paritra tsy hanavahana foko na fihaviana na finoana ary firehana politika. Nivoitra izany rehetra izany nandritra ny lanonana nandraisan’ny filoha nationaly vaovaon’ity antoko ity izay notanterahana tany amin’ny distrikan’I Vangaindrano taorian’ny nahavoafidy ity farany tamin’ny kongrsin’ny notanterahana teto Antananarivo andro vitsy lasa izay. Ankehitriny dia Ramatoa Francette Razanabahiny no voafidy hitarika ity fikambanana politika ity. Araka ny anarany dia zaza nnavelan’ny filoha mpanorina ny Vonjy iray tsimivaky, Razanabahiny Marojama Jerôme ihany ny tenany ka vonona hipetraka ho sarom-piaro amin’ireo foto-kevitra sy tanjon’ny antoko amin’ny mahavato namelan-kafatra azy. Nanome toky ny tenany fa hitana sy hanitatra ny firehana izay efa nijoroan’ireo mpitarika teo aloha. Ny fampiraisam-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy no tanjona ka izay manana izany firehana izany ihany no tsy maintsy hironan’ny antoko, araka ny nambaran’ity filoha vaovao ity.

T.M

- Publicité -
Suivez nous
401,973FansJ'aime
9,563SuiveursSuivre
1,463AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici